Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitro! Tezao ity zaza menavava ity eo an-Tratram-pitiavanao ary omeo azy ny ronono avy amin’ny tratran’ny Fitahianao. Kolokoloy ity voly tanora ity ao amin’ny tanindraozin’ny Fitiavanao ary ampio izy mba hitombo amin’ny alalan’ny andon’ny Fitahianao.
Ataovy zanaky ny Fanjakanao izy ary tariho ho eny amin’ny Fanjakan-danitrao. Mahery sy tsara Ianao, ary Ianao Ilay Mpanome, Ilay Malala-tanana, Ilay Tompon’ny fanambinana tapitr’ ohatra.
- `Abdu'l-Bahá