Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitro ô! O Ianao izay mamela heloka, izay mizara ny soa, izay manaisotra ny alahelo!
Marina tokoa, mitalaho Aminao aho mba hamela ny helok’ireo izay nandao ny akanjon’ny nofo ary nisandratra eny amin’ny tontolom-panahy.
Ry Tompo ô! Diovy noho ny fandikan-dalàna izy ireo, savao ny alahelony ary soloy hazavana ny haiziny. Aoka hiditra ao an-jaridainam-pahasambarana izy ireo, diovy amin’ny rano izay tena mangatsakatsaka izy ireo ary avelao izy ireo handinika ny Famirapiratanao eo amin’ny tendrombohitra ambony indrindra.
- `Abdu'l-Bahá