Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ity vavaka ity, nambaran’i ‘Abdu’l-Bahá, ity dia vakiana eo anoloan’ny Fasany. Vakiana koa ity amin’ny vavaky ny tena samirery.
Izay mamaky ity vavaka ity amin-kafanam-po sy am-panetren-tena dia mitondra fifaliana sy fahasambarana ao am-pon’ity Mpanompo ity (‘Abdu’l-Bahá); toy ny mihaona mifanatrika Aminy
Izy Ilay tena be Voninahitra.
Ry Andriamanitra ô, Andriamanitro! Am-pahatsorana sy an-dranomaso, manandratra ny tanako mitalaho eny Aminao aho ary manafina ny tavako ao amin’ny vovoky ny Tokonanao izay ankalazaina ambonin’ny fahalalan’ny manam-pahaizana sy ny fideran’izay rehetra manome voninahitra Anao. Topazo ny maso feno fangorahana ny mpanomponao manetri-tena sy tsotra eo am-baravaranao, ary arobohy ao anatin’ny ranomasimben’ny Fahasoavanao mandrakizay.
Ry Tompo! Ity ny mpanomponao mahantra sy tsotra, mankatò sy mitalaho Aminao, babo eo an-tananao, mivavaka mafy Aminao, mahatoky Anao, vonton-dranomaso eo anoloan’ny Endrikao, miantso Anao sy mitaraina Aminao amin’izao teny izao:
“Ry Tompo ô, Andriamanitro! Atolory ho ahy ny Fahasoavanao mba ahazoako manompo ny olontianao, amafiso aho amin’ny fanompoako Anao, hazavao ny endriko amin’ny fahazavan’ny fankalazana ao amin’ny Tokotanim-pahamasinanao sy avy amin’ny fahazavan’ny vavaka ao amin’ny Fanjakan’ny fahalehibeazana. Ampio aho tsy ho tia tena eo anoloan’ny tokonan’ny Fidirana ao an-danitrao ary tsy hiraikitra amin-javatra rehetra na inona na inona ao amin’ny Toerana Masinao.
Ry Tompo, ampisotroy amin’ny kapoakan’ny fandavan-tena aho, ampitafio ny fitafiany aho ary arobohy lalina ao amin’ny ranomasimbeny. Ataovy toy ny vovoka eny amin’ny lalan’ny Olo-malalanao aho ary aoka mba hanolotra ny fanahiko ho amin’ny tany feno fahamendrehana izay nodiavin’ny Olom-boafidinao eo amin’ny Lalanao, ry Tompon’ny Voninahitra avo indrindra”.
Miantso Anao amin’ity vavaka ity, amin’ny mangirandratsy sy amin’ny alina ny mpanomponao. Tanteraho ny fanirian’ny fony, ry Tompo ô! Hazavao ny fony, ampifalio ny fanahiny, areheto ny fanaovanjirony, mba hanompoany ny Fototrao sy ny Mpanomponao.
Ianao Ilay Mpanome, Ilay Mpangoraka, Ilay Onena olona, Ilay Mpamindra fo, Ilay Be Indrafo, Ilay Mangoraka.
- `Abdu'l-Bahá