Return to BahaiPrayers.net   Facebook

O Ianao, Andriamanitry ny famindrampo ô! Ianao Ilay Mahefa sy Mahery! Ô Ianao, Ray Mpihaino tena be fitiavana! Ireto mpanomponao ireto dia tafavory izao, mitodika any Aminao, mitalaho eo an-Tokonanao, maniry ny Fahasoavana tsy mety lany avy amin’ny Fanomezan-tokinao lehibe. Tsy manana tanjona hafa ankoatra ny Fahafinaretanao izy ireo. Tsy manana fikasana hafa afa-tsy ny fanompoana ho an’ny tontolon’ny zanak’olombelona.

Ry Andriamanitra! Aoka ity fihaonana ity hamira-piratra. Aoka ny fo ho be famindrampo. Atolory ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Omeo azy ireo ny fahefana avy any an-danitra. Tahio izy ireo amin’ny fanahin’ny Lanitra. Ampitomboy ny fahatsorampony mba ho amim-panetren-tena sy am-panenenana, afaka hitodika eny amin’ny Fanjakanao ary hiasa hanompo ny tontolon’ny zanak’ olombelona.

Aoka ny tsirairay ho lasa labozia mazava. Aoka ny tsirairay ho lasa kintana mamirapiratra. Aoka ny tsirairay ho lasa tsara loko ary hameroveron’ny fofomanitra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ry Ray tsara fanahy ô! Omeo anay ny Tsodranonao. Aza jerena ny fahadisoanay. Alofy eo ambany Fiarovanao izahay. Aza tsarovana ny fahotanay. Sitrano amin’ny Famindramponao izahay.

Malemy izahay, mahery Ianao. Mahantra izahay, manankarena Ianao. Marary izahay, Ianao no Mpanasitrana. Sahirana izahay, Ianao ilay malala-tanana indrindra.

Ry Andriamanitro ô! Arotsahy aminay ny Fitahianao.

Ianao ilay Mahery. Ianao Ilay Mpanome. Ianao Ilay Mpanome soa.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac