Return to BahaiPrayers.net
Facebook
O Ianao Tompo be fitiavana! Ireto ny mpanomponao izay mivory eto amin’ity Antenimiera ity, mitodika eny amin’ny Fanjakanao ary mikatsaka mafy tokoa ny Tsodranonao sy ny Fitahianao.
O Ianao Andriamanitra! Asehoy sy ampiharihario ny famantarana ny Firaisanao izay napetraka tao amin’ny maha-fiainana ny fiainana. Asehoy sy avoahy ireo hatsarana izay miafina ao amin’ny maha-olombelona ny olombelona rehetra.
Ry Andriamanitro ô! Zavamaniry izahay ary ny Fanomezanao dia toy ny orana. Velombelomy sy ampitomboy ireo zavamaniry ireo avy amin’ny alalan’ny Fahasoavanao. Mpanomponao izahay, manafaha anay amin’ny fatoran’ny zavatra ara-materialy. Tsy manam-pahalalana izahay, omeo fahendrena. Maty izahay, velomy. Ara-materialy izahay, arotsahy aminay ny fanahy. Mijaly izahay, ataovy namana akaikin’ny Misiterinao. Sahirana izahay, tahio izahay ary omeo avy amin’ny Harenao tsy manam-petra.
Ry Andriamanitro! Atsangano izahay, omeo fahitana izahay, omeo fihainoana. Zaro amin’ny zava-miafin’ny fiainana izahay, ka ny zava-miafin’ny Fanjakanao dia ambara aminay ato amin’ity tontolon’ny fisiana ity ary ahazoanay manaiky ny maha-Iray Anao. Avy Aminao ny Fanomezana rehetra, Aminao ny Tsodrano rehetra.
Ianao Ilay Matanjaka! Ianao Ilay Mahery! Ianao Ilay Mpanome ary Ianao ilay Malala-tanana mandrakizay.
- `Abdu'l-Bahá