Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Raha miditra ao amin’ny efitrano filan-kevitra ianareo, manaova ity vavaka ity amin’ny fo midoboka ny fitiavana an’Andriamanitra, ny lela voadio amin’ny zavatra rehetra afatsy ny fahatsiarovana Azy, mba hanampian’Ilay Tompo Mahery anareo am-pitiavana hahazo ny fandresena tampony.

------------------------------

Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro!

Mpanomponao izahay ary mitodika am-panoloran-tena eny amin’ny Endrikao Masina, mihataka amin’izay rehetra tsy Ianao amin’ity Andro be voninahitra ity. Mivory eto amin’ity Antenimiera Am-panahy ity izahay, miray fijery sy eritreritra miaraka amin’ny fikasàna mirindra mba hankalaza ny Teninao eo amin’ny zanak’olombelona.

Ry Tompo ô! Andriamanitray ô! Ataovy ho famantarana ny Fitarihan-danitrao izahay, ho Fenitry ny Finoanao mendrika eo amin’ny olona, mpanompon’ny Fanekenao Mahery, o Ianao Tomponay Ilay Avo Indrindra, fanehoana ny Firaisan-danitrao ao amin’ny Fanjakan’i Abhá, ary kintana mazava izay mamirapiratra eran’ny tany rehetra.

Ry Tompo! Ampio izahay ho tonga ranomasimbe manonja amin’ny alon-dranon’ny Fahasoavanao mahatalanjona, ho riaka mikoriana avy any amin’ny Haavo Be Voninahitra, ho voankazo voafantina eo amin’ny Hazon’ny Fototrao avy any an-danitra, ho hazo mitopatopa noho ny tsioka malefaky ny Fangorahanao, ao amin’ny Tanimboalobokao ao an-danitra.

Ry Andriamanitra ô! Aoka ny fanahinay hiankina amin’ny Andalan-tsoratry ny Firaisan-danitrao, ny fonay ho dibo-kafaliana amin’ny tosaky ny Fahasoavanao, ka mba hiray izahay toy ny onjan-dranomasina ary hivondrona ho lasa tara-pahazavan’ny Fahazavanao mamirapiratra; ka ny fisainanay, ny fijerinay sy ny fientanam-ponay ho tonga zava-misy iray, mampiseho ny firaisam-panahy manerana izao tontolo izao.

Ianao Ilay Mpamindra fo, Ilay Mpanasoa, Ilay Mpanome, Ilay Tsitoha, Ilay be indrafo, Ilay Mpangoraka.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac