Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro! Avy any amin’ny Fanjakanan’ny maha-Tokana Anao tsy hita maso, jereo izahay nivory teto amin’ity Antenimiera Am-panahy ity, mino Anao, mahatoky ny Famantaranao, miraikitra amin’ny Fifanekenao sy ny Testamentanao, voasarika ho eny Aminao, miredareda noho ny afom-Pitiavanao ary madio am-po ao amin’ny Fototrao. Mpanompo ao amin’ny tanim-boalobokao izahay, mpampiely ny Finoanao, mpidera mahafatrapo ny Tavanao, manetry tena manoloana ireo Malalanao, manaiky eo anoloan’ny Varavaranao ary mitalaho Aminao mba hanamafisanao anay amin’ny fanompoana ireo izay Voafidinao, hanohananao anay miaraka amin’ny andian-Tafikao tsy hita maso, hampatanjaka ny valahanay amin’ny fanompoana Anao ary hanao anay ho hanaiky sy hankalaza ireo lohahevitra iombonana Aminao.
Ry Tomponay ô! Malemy izahay ary Ianao Ilay Mahefa, Ilay Mahery! Tsy manana aina izahay ary Ianao Ilay Fanahy mpanome fiainana lehibe. Manana filàna izahay ary Ianao no Ilay Mpanohana, Ilay Mahery.
Ry Tomponay ô! Atodiho ny tavanay ho eny amin’ny Endrikao Be Fangorahana, fahano avy amin’ny latabatry ny Lanitrao izahay noho ny Fahasoavanao tsy tambo isaina, ampio izahay amin’ny andian-tafiky ny Anjelinao faratampony ary amafiso izahay amin’ny alalan’ireo Masina ao amin’ny Fanjakan’ ny Abhá.
Marina tokoa, Ianao Ilay Malala-tanana, Ilay be indrafo! Ianao Ilay Manana fanomezana lehibe, ary marina tokoa, Ianao Ilay Mpamela heloka, Ilay Mpamindra fo.
- `Abdu'l-Bahá