Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2017

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

1. Jereo ange manao ahoana ny vondron'ny Anarana-Lehibe-Indrindra rehefa hiasa! Taona iray monja izay no lasa hatramin'ny fanombohana ny Planina vaovao ka tatitra maro sahady no mampiseho ny halehiben'ny zavatra natomboka ary efa manomboka tanteraka. Ny mampitombo ny herivaikan'ny lamin'asam-pitomboana 5 000 dia mitaky ezaka lehibe tsy misy toa azy. Miaraka amin'ny fahazahoana mafy orina an'ireo fotokevi-dehiben'ny Planina, dia namana marobe no mampihatra ireo fepetra voalazany, mampiseho toetra hentitra sy fandavan-tena amin'ny fomba amaliany ny antso. Araka ny efa nampoizina, dia lasa toerana manana tahirin'ireo fitaovana enti-miasa sy ny fahalalana ireo lamin'asam-pitomboana mahery vaika sasany izay nitohy nandritry ny fotoana ela, izay manampy an'ireo faritra manodidina akaiky ary manamora ny fanapariahana malaky ny traikefa sy ireo fahalalana. Ireo ivontoeran'ny hetsika mahery vaika ' ireo kartie sy tan'na kely izay ifantohan'ny asa fanorenana vondrona ' dia mampiseho fa tena miteraka ny fiovana iombonana. Ny andian'ireo mpanolotsaina mpanampy sy ny mpanampy azy, nampitomboana sy nohamafisina, dia mamporisika ny fandraisan'andraikitry ny mpino, manampy azy ireo hamolavola ny fomba ampitomboana ny lamim-pitomboana amina toe-java-misy samihafa ary mamaritra mazava ireo fomba fiasa mifanaraka amin'ny zava-misy manokan'ny vondromparitra tsirairay. Mahazo ny fanohanan'ny antenimiera am-panahy nasionaliny, ireo filan-kevitra rezionaly bah'' dia mianatra ny fomba hampisy vikina amin'ny Planina any amin'ny vondromparitra samihafa indray miaraka, fa kosa any amin'ireo firenena kely izay tsy manana filan-kevitra dia rafitra vaovao, eo amin'ny sehatra nasionaly, no efa manao toy izany koa. Araka ny efa niandrasana azy toy ny fivoarana ara-boajanahary rehetra, dia mbola tsy miseho akory any an-toeran-kafa ireo fandrosoana haingana tany amin'ny toerana sasany, kanefa ny fitambaran'ny isan'ireo lamin'asam-pitomboana mahery vaika eran-tany dia efa manomboka mitombo sahady. Ankoatra izay, mahafaly anay ny mahatsapa fa tena nitombo be nandritry ny tsingerina efatra voalohan'ity Planina ity ny fandraisana anjara tamin'ireo hetsiky ny Planina.

2. Sarotra noho izany ny hanantenana bebe kokoa ireo famantarana ny amin'izay mety hitranga mandritry ny taona ho avy. Ka inona no mety tsara indrindra hatolotra an'Ilay Hatsarana voatahy, noho ny fitsingerenan'ny faha-roanjato taonan'ny nahaterahany, raha tsy ireo ezaka amin'ny fo madio atolotr'ireo izay tiany mba hanitatra araka izay tratra ny Finoany ? Ny voalohany amin'ireo tsingerina faha-roanjato taona roa izay hankalazain'ny tontolo bah'' noho izany dia fisehoan-javatra izay manokatra ireo fomba fijery faran'izay avo. Raha vinavinaina araka ny tokony ho izy, ity taona ity dia manolotra, eo amin'ny sehatra maneran-tany, ny trangan-javatra tsara indrindra mba hampifandraisana ireo fo amin'i Bah'u'll'h izay tsy mbola niseho mihitsy hatrizay. Ao anatin'ireo volana ho avy, enga anie ny rehetra mba ho tonga saina amin'io vintana tsy manam-paharoa io sy hifantoka amin'ireo fahafahana mba hampahafantatra amin'ny hafa ny fiainany sy ny raharaha lehibe nanirahana azy, izay misy na aiza na aiza. Mba anararaotana tanteraka ny fahafahana mampianatra izay miseho eo amin'ny tontolo bah'' ankehitriny, dia tsy maintsy eritreretina amin'ny fomba misy famoronana ireo resadresaka mety hiseho iarahana amin'ireo karazana olona rehetra. Mandritr'ireo resadresaka matotra ireo, dia lasa miharihary ny fahatsapana ary misokatra ireo fo ' matetika eo noho eo. Ao amin'io hetsika tena mendrika io, dia samy mahita anjara andraikitra ny rehetra, ary tsy tokony hisy mihitsy ho diso anjara amin'ny hafaliana izay azo avy amin'ny fandraisana anjara amin'io raharaha lehibe io. Mangataka mafy an'ilay Malala tokana izahay mba ho heniky ny hafaliana faran'izay madio sy faran'izay mamy anie ity taona manontolon'ny faha-roanjato taona ity : avy amin'ny fanambarana amin'ny fanahy hafa fa tonga ny Andron'Andriamanitra.

3. Ny fikorontanana, ny tsy fahatokiana ary ny savorovoro maneran-tany, dia mandodona faran'izay maika ireo adidy tsy maintsy tanterahan'ny vondron'ny mpino. Noho izany, ireo namana dia tokony hanararaotra ny fotoana rehetra afahana manazava ny lalana sy mitondra fankaherezana ho an'ireo be ahiahy ary fanantenana ho an'ireo kivy. Tsaroanay ny toro-hevitra nomen'ny Mpiambina ny vondrona bah'' tamin'ireo teny izay toy ny natokana ho an'izao vanimpotoana misy antsika izao : ' Raha mbola tsy mari-toerana sy miha-vakivaky ny firafitra ara-tsosialy ankehitriny noho ny fanerena sy ny vesatry ny trangan-javatra mananontanona sy ireo fahoriambe, raha mbola mihabetsaka ireo triatra izay manampy trotraka ny fizarazarana eo amin'ny samy firenena, samy sokajin'olona, samy foko ary samy finoana, ireo mpanatanteraka ny Planina kosa dia tokony hampiseho firindrana mbola lehibe kokoa eo amin'ny fiainana ara-panahiny sy ireo hetsika ara-pitantanany, ary hanaporofo fifanarahan-tsaina avo lenta eo amin'ny asany, fifanampiana sy fampandrosoana mirindra eo amin'ny raharaha lehibe iarahan'izy ireo. ' Manindry hatrany momba ny fivelarana ara-panahin'ny asam-pinoana sy momba ny fahatapahan-kevitra tsy miovaova izay tokony entin'ny mpino manatanteraka ny adidy masiny, i Shoghi Effendi dia nampitandrina ihany koa amin'ny fandraisana anjara rehetra amin'ireo fifandiran-kevitra, amin'ireo fikorontanana lehibe ary amin'ireo adilahy politika. ' Aoka izy ireo hihoatra ambonin'ny fizarazaran-kevitra rehetra sy ny fitsitokotokoana rehetra ', hoy izy namporisika mafy tamina fotoana hafa, ' ambonin'ireo fifandirana tsy misy fotony, ireo kajikajy ratsy, ireo faniriana mandalo izay manakorontana ny endrika, sy mitana ny sain'ny tontolo andalam-piovana. ' Ireny no faikan-javatra sy piti-drano tsy azo ialana atsipin'ny onja mifanesisesy izay manozongozona ny fiarahamonina voakorontana sy voazarazara. Lehibe loatra ny fanamby mba hiatrehana ny fanarian-dia toy izany. Toy ny efa fantatry ny mpanaradia an'i Bah'u'll'h tsara, ny fahasoavana faratampon'ny olombelona dia tsy ho azo antoka raha tsy efa ioharana ny fahasamihafan'izy ireo ary ny firaisankinany ho mafy orina tanteraka. Ny anjara biriky tsirairay entin'ny bah'' ho an'ny fiainan'ny fiarahamoniny dia manana tanjona hampisy ny firaisankina ; ny ezaka fanorenana vondrona tsirairay dia mikendry tanjona mitovy amin'izany. Ho an'ireo izay trotraky ny fisaratsarahana, ny vondrona izay mandroso eo ambany aloky ny Anarana lehibe indrindra dia manolotra ohatra maharesy lahatra ny amin'izay mety ho vitan'ny firaisankina.

4. Manome voninahitra ny Tompon'ny tompo izahay eo am-pahitana faran'izay betsaka amin'ireo tiany izay tsy mitandro hasasarana, amin'ny fomba marobe, mba hihofahofa ny fanevan'ny firaisankinan'ny olombelona. Ry namana tena lalaina : vao manomboka izao ny taona iray tena feno fampanantenana, moa ve ny tsirairay amintsika tsy tokony handinika hoe hetsika madio inona no mety hanampian'ny fahasoavan'ny Tompo antsika ho tanterahina ?

 

Windows / Mac