Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2016

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Miaraka amin'ny fihavian'ny Mpanjakan'ny fety dia mifarana ihany koa ny vanim-potoana fanomanana ho amin'ny Planina vaovao iraisan'izao tontolo izao : miantso ireo sakaizan'Andriamanitra izahay ankehitriny ho amin'ny dimy taona vaovaon'ny fanomezan-toky feno herim-po, fanapahan-kevitra sy ny loharano (ressources) rehetra .

Ny mpanaradia mahatoky an'i Baha'u'llah dia efa mijoro am-pahavononana. Ireo fivorian'ny Rafimpitantanana nantsoina manerana izao tontolo izao, tao anatin'ny volana vitsivitsy izay, dia naneho famantarana mifanesy ny fahamaizana hanomboka ity tetik'asa goavana ity. Ireo tolo-kevitra voarakitra ao amin'ny hafatra ho an'ny fivoriamben'ny Mpanolontsaina dia efa voadika ho planina hetsika hentitra. Ireo ezaka feno herim-po am-polo taonany maro dia namolavola ny vondrona ary nahazahoany fahaiza-manao misongadina momba ny fampiroboroboana ny fivoarana sy ny fanamafisana izany amin'izao fotoana izao. Ity folo taona roa farany ity, singanina manokana, no tena nahatsapana ny fahafainganan'io fampiakarana fahaiza-manao izay efa nandrasana hatramin'izay io.

Nandritra izany vanim-potoana izany. Ny fandraisana andraikitra mikasika ny fampivoarana sehatr'asa dia nahafahan'ireo namana namelona miandalana sy nampivoatra ny fahaiza-manao manandanja izay niteraka asa fanompoana tsotra aloha ary nivadika ho modelin'hetsika voavolavola tsara kokoa avy eo, izay nitaky ny fampandrosoana fahaiza-manao sarotsarotra kokoa. Tamin'izany fomba izany, ny lamina fampitoboana loharano arak'olona maty paika sy fanorenana vondrom-piarahamonina dia nanomboka tany anatin'ny vondrom-paritra an'arivony ary maro amin'izy ireo no efa tena mandroso lavitra. Ny fifantohana dia tsy tamin'ny mpino isam-batan'olona irery ihany, na ny vondrona, na ny rafimpitantanan'ny finoana; izy telo ireo, izay mpandray anjara tsy azo sarahina eo amin'ny fampivoarana ny Lamina vaovao iraisan'izao tontolo izao, dia voasandratr'ireo hery lehibe ara-panahy azo avy amin'ny fanapariahana ny Planina Masina. Mihamazava hatrany ireo famantarana ny fandrosoan'izy ireo: ny toky azon'ireo mpino maro an'isa izay mizara ny tantaram-piainan'i Baha'u'llah sy mifanakalo hevitra mikasika ny fiantraikan'ny Fanambarana sy ny Fifanekeny tsy manan-tsahala; ny fitomboan'isan'ireo fanahy izay, noho izany, voasarika ao amin'ny finoany ary koa mandray anjara amin'ny fanatanterahana ny fijery mampiray ; ny fahafahamanaon'ireo Baha'i sy ny namany, ireo izay tena eny amin'ny fototry ny fiaraha-monina, mamaritra amin'ny teny mazava tsara ny traikefa azony avy amin'ny lamina afaka manova ny toetra amam-panahy sy mamolavola ny endriky ny fisiana ara-tsosialy; ny habetsahan'ny isan'ireo tera-tany ao amin'ny firenena iray, amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Rafimpitantanana baha'i sy amin'ireo ratsamangaika izay efa mitantana ny raharahan'ny vondrona misy azy ankehitriny; ny fanomezana amin'ny kitapom-bola, amim-pitokisana, ampahalalahan-t'nana sy fahafoizan-tena, izay tena zava-dehibe tokoa ho fanohanana ny fampandrosoana ny finoana; ny fiboiboika tsy manam-paharoa eo amin'ny fandraisana andraikitry ny tsirairay sy ny hetsika iombonana hanohanana ny asa fanorenana ny vondrona; ny hafanampon'ireo fanahy maro eo amin'ny fiatombohan'ny fahatanorana manda tena ary manome hery sy tanjaka ao amin'io asa io, indrindra amin'ny fanabeazana ara-panahy ireo zandry aty aoriana; ny fanamafisana ny toetra ara-panahin'ny vondrona amin'ny alalan'ny fivoriam-bavaka tsy tapaka; ny fivoaran'ny fahaiza-manao momba ny fitantanan-draharaha amin'ny ambaratonga rehetra; ny fahavononan'ny Rafimpitantanana, ratsamangaika ary ny mpino isam-batan'olona hisaintsaina arakaraka ny lamina , hamaky ny tena zava-misy hiainany, hanombatombana ireo loharano manodidina ny fonenany ary hanao planina mifototra amin'izany; ny vitrika efa mahazatra ankehitriny momba ny fianarana, ny fifanakalozan-kevitra, ny asa, ary ny fandinihana, izay namboly toetra vonon-kanovo voajanahary; ny fanomezan-kasina mihalalina hatrany momba ny dikan'ny hoe mampihatra ireo Fampianarana amin'ny alalan'ny hetsika ara-tsosialy; ny fampitomboana ireo tranga fanararaotra izay karohina sy raisina mba hanolorana fomba fijery baha'i ao amin'ireo resadresaka misongadina ao amin'ny fiarahamonina; ny faharesen-dahatrin' ny vondrona maneran-tany, fa amin'ny fanehoana ny fahefana ananan'ny finoana 'mamorona fiarahamonina', ao amin'ireo ezaka rehetra, dia manafaingana ny fandrosoana sivilizasiona masina izy; marina tokoa fa amin'ny fivoaran'ny fahatsapana miha mitombon'ireo namana fa ny ezaka ataon'izy ireo hanamafy ny fiovana anaty, hampiroborobo ny faribolan'ny firaisan-kina, hiara-miasa amin'ny hafa eo amin'ny sehatry ny fanompoana, hanampy ny mponina handray an-t'nana ny fivoarany manokana ara-panahy, ara-tsosialy, sy ara-toekarena, ary amin'ny alalan'izany ezaka rehetra izany, mba hiantoka ny fanatsarana an'izao tontolo izao ' no miseho ny tena tanjon'ny finoana.

Na dia tsy misy refy tokana aza afaka hamarana ny totalin'ny fandrosoan'ny vondrona baha'i dia maro no azo tsoahina avy amin'ny isan'ireo vondrom-paritra maneran-tany izay nametrahana lamin'asam-pitomboana, ary hamafisinay ' am-pankasitrahana tanteraka ny fitahiana narotsak'ilay Hatsaran'ny Abha ' fa efa mihoatra ny 5000 izany. Fototra midadasika toy izany no fepetra takiana mialohan'ny hanatanterahana ny asa tsy maintsy atrehin'ny tontolo baha'i amin'izao fotoana izao ' manamafy ny lamin'ny fampandrosoana any amin'ny vondrom-paritra tsirairay izay efa nanomboka sy manitatra lavidavitra kokoa ny modelim-piainam-bondrona. Mafy tokoa ireo ezaka maharitra ilaina hanatanterahana izany. Fa manan-danja lalina ny vokatra hotazana ary ho vanim-potoana misongadina tokoa. Ireo dingana kely, atao tsy tapaka sy haingana, dia ahafahana manatratra halavirana lehibe. Rehefa tena mifantoka amin'ny fampandrosoana izay tsy maintsy tanterahina eo amin'ny vondromparitra iray amin'ny vanim-potoana voalohany ' ohatra, amin'ireo tsingerina enina mialohan'ny fankalazana ny tsingerina roanjato taona voalohany- ireo namana dia hanao araka izay azo atao hanatratra akaiky kokoa ny tanjon'ny dimy taona iray manontolo. Mifono tranga fanararaotra mandalo vetivety hanaovana dingan-dava ny tsingerina tsirairay, fahafaha-mihetsika tena sarobidy izay tsy hiverina intsony.

Indrisy anefa fa mihalalina sy mitombo hatrany ary vao maika mihombo ny soritr'aretin'ny fanahy eo amin'ny tontolo iainana amin'ny ankapobeny. Tena mahagaga fa, raha mangirifiry ny mponin'izao tontolo izao mikatsaka fanafody tena marina ary mitodika tsy sazoka amin'ny fahadisoam-panantenana mifanesy, ianareo kosa dia miasa mba hanatsara miaraka ny fitaovana izay mampifandray ny fo amin'ny Tenin'Andriamanitra maharitra mandrakizay. Mahatalanjona ihany koa fa eo anivon'ny horakorak'ireo hevitra raikitapisaka sy ireo tombotsoa mifanohitra izay mitombo sy miha-masiaka etsy sy eroa no ifantohanareo amin'ny fampivondronana ny mpiara-belona hanangana vondrom-piaraha-monina mendrika hanjakan'ny firaisankina. Aoka tsy hahakivy anareo velively ny fitsarana an-tendrony sy ny fandrafian'izao tontolo izao fa kosa ho zary fampahatsiahivana fa maika ny fil'n'ireo fanahy manodidina anareo ny balsama manasitrana izay ianareo irery ihany no afaka manolotra izany amin'izy ireo.

Ity no farany amin'ireo andiana Planina dimy taona nifanesy. Rehefa hifarana izany, dia hisy dingana vaovao hisokatra eo amin'ny fivoaran'ny Planina Masina, natao mba hanosika ny mpanara-dia an'i Baha'u'llah hizotra any amin'ny taonjato fahatelon'ny vanim-potoana baha'i. Enga anie ireo sakaizan'Andriamanitra any amin'ny firenena tsirairay mba hankasitraka ny fampanantenan'ireo taona vitsivitsy manaraka, izay fanomanana henjana ho amin'ireo lahasa goavana mbola ho avy. Ny halehiben'ity Planina ankehitriny ity dia manome sehatra ny tsirairay hanohana ny asa na dia kely dia kely aza ny anjara birikiny. Miangavy anareo izahay, mpiara-miasa lalaina indrindra, mpanara-dia Azy izay lalain'izao tontolo izao indrindra, mba tsy hitandro hasasarana amin'ny fampiharana izay rehetra nianaranareo sy hampiasa ny fahaiza-manao rehetra natolotr'Andriamanitra anareo sy ireo hakingana anananareo mba hampandrosoana ny Planina Masina eo amin'ny dingana manaraka manan-daja tokoa. Ampiarahanay amin'ny fitalahoanareo mivaivay ny fitahian'ilay Avo indrindra ny fangatahana atolotray eo amin'ny Fasana Masina, amin'ny anaran'ireo izay miasa mafy ho an'ity Finoana iraisan'izao tontolo izao ity.

 

Windows / Mac