Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2005

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Ireo fandrosoana niseho eo anivon'ny tontolo Baha'i hatramin'ny fiandohan'ny Vanim-potoana fahadimin'ny taom-panorenana dia nitondra hafaliana tsy omby tratra ho anay. Ireo roamby folo volana farany koa dia tsy latsa-danja noho izany. Ny vondrona baha'i dia nitohy nandroso tsy tapaka hatrany ary ankehitriny, raha miditra amin'ny faran'ny taonan'ny planina dimy taona izy, dia tsara toerana tokoa satria eo amin'ny heriny tanteraka ' hery izay azo avy tamin'ireo ezaka mavitrika sy voasaina tsara nasehon'ireo namana hatraiza hatraiza, mba hampandrosoana ny fivoarana amin'ny fidirana amin'ny andiany.

Na dia tsy hainy hambara amin'ny fomba mazava aza ny dikan'ireo fivelarana misy ireo, ny statistika kosa dia manome tolo-kevitra momba ny habetsahan'ireo zava-bita. Nitombo isa tsy nijanona ireo loharano arak'olona ao amin'ny Finoana. Mihoatra ny 200 000 olona no nahavita ny Boky 1 amin'ny lalam-pihofanana Ruhi manerana izao tontolo izao, ary anarivony amin'izy ireo no tonga amin'ny sehatra ahafahana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asan'ny maha mpanamora eo anivon'ireo faribolam-piofanana izay efa miha-matetika ny fisiany amin'ireo faritra maro maneran-tany, ary efa mihoatra ny 10 000 ny isan'izy ireo araky ny fanis'na azo farany. Ny isan'ireo mpikaroka mandray anjara mavitrika amin'ireo hetsika fototra kosa dia mitombo tsy mijanona, ary mananika ny 100 000 izy ireo, volana maromaro izay. Nandritra izany fotoana izany, dia faritra 150 no niroborobo sy afaka nanomboka fampandehanana lamin'asam-pitomboana mahery vaika raha tsy efa eo ampanombohana mihitsy aza izy ireo. Mahabe fanantenana tokoa izany rehetra izany, ary hinoana fa hihoatra lavitra io isa io alohan'ny hifaranan'ny planina.

Raha hobiana ireo zava-bita ireo, dia tokony hekena koa fa ireo fivoarana tamin'ny fanazarana no tompon'antok'izany. Ireo hetsika lehibe momba ny lalam-pihofanana izay manara-maso ireo asa mifanaraka aminy no tena fitaovana mandrisika ny fitomboana eo anivon'ny faritra. Miforona avy amin'ny al'lan'izany ireo fepetra ilaina, ary miatomboka ireo lamin'asa maharitra mifandraika amin'ny fampivelarana sy ny fanamafisan'orina ny Finoana. Sady mipetraka ny ankamaroan'ny fahalalana sarobidy momba ny natioran'ireo lamin'asam-pitomboana mahery no miha-mazava ny ankamaroan'ireo zavatra hatao. Ireo lamin'asa ireo dia mitsinjara ho fe-potoana maromaro, izay maharitra volana maro ny tsirairay avy, ary atokana indrindra hananganana fandaharan'asa, fampivelarana ary fanamafisan'orina. Ny fampitomboana ireo loharano arak'olona dia mitohy tsy miato ihany mandritra ny fe-potoana iray hatramin'ny fe-potoana manaraka, mba ahazoana toky fa tsy hoe vitan'ny voatohana fotsiny ny fivoarana amin'ny fampivelarana fa mivoatra amina hafainganam-pandeha koa. Na mbola ho betsaka aza ireo fampianarana izay tsy hisalasal'na fa ho raisina, ny traikefa efa azo teo no mahatonga ny fifandraisana ho vanona eo anivon'ireo faritra izay mitombo isa lalandava.

Ireo fandresena azo na avy amin'ny velarana ara-kalitao na avy amin'ny arak'isa koa dia loharanon'ny fahafaham-po marina tokoa. Eo anivon'ireo fanatanterahana ireo dia manana anjara toerana ny fanatsarana mitohy momba ny fiainana ara-panahin'ireo vondrona baha'i hatraiza hatraiza. Io aina vaovao ara-panahy io no azo anazavana ny fandraisan'anjaran'ireo olona samy hafa fihaviana ao amin'ireo fiombonam-bavaka, ao amin'ireo kilasin'ny ankizy ary ao amin'ireo faribolam-piofanana, izay miafara amin'ny fiaiken'izy ireo an'i Baha'u'llah ho Ilay Fanehoan'Andriamanitra ho an'izao vanin'andro izao ary koa hidirany amin'ny Finoana.

Misy velarana vaovao izay misongadina koa ao amin'ny Foibe Iraisam-pirenena.Nanapa-kevitra izahay fa efa fotoana izao ny tokony hisian'ny Mpanolon-tsaina Iraisam-pirenena iray momba ireo fiandraiketana ny Huququ'llah, mba hitarika sy hanoro-l'lana ny asan'ireo mpanolo-tsaina eny anivon'ny faritra sy nasionaly momba ny mpiandraikitra ny Huququ'llah maneran-tany. Hiara-miasa akaiky miaraka amin'ny Mpiandraikitra filoha : ny Tanam-pinoan'Andriamanitra Andriamatoa 'Ali-Muhammad Varqa izy, ary hahazo ny tombotsoa avy amin'ny fahaiza-manaony sy ireo toro-heviny eo am-panatanterahana ireo adidiny. Ireo mpikambana telo notendrena ankehitriny amin'izany Fanoloran-tsaina Iraisam-pirenen'ireo mpiandraikitra dia : - Sally Foo, -Ramin Khadem ary ' Grant Kvalheim. Aoriana kely no ho tapahana ny faharetan'ny fotoana hiasan'izy ireo. Ireo mpikambana ao amin'ny Fanoloran-tsaina dia tsy mifindra toerana any amin'ny Tany Masina akory, nefa afaka mampiasa ireo fiasan'ny biraon'ny Huququ'llah ao amin'ny Foibe Iraisam-pirenena izy ireo rehefa manao ny asany.

Teo amin'ny sehatra rehetra sy teo amin'ireo hitsiny tokony haleha, dia nahatanteraka asa fampandrosoana mazava tsara ny Finoana ' nanomboka amin'ireo dingan-dava eo amin'ny fampivelarana sy ny fanamafisan'orina any amin'ny fototra ka hatrany amin'ny fampiroboroboana ara-pitantanan-draharaha iraisam-pirenena. Ireo marika famporisihan'ny iraisankina mitombo eo anivon'ny vondrona ireo dia miseho indrindra amin'ny vanim-potoana izay ahitana ireo famantarana rehetra momba ny faharatsian'ny firaisamonina, izay indrisy, tsy takona hafenina. Tsy dia ilaina intsony angamba ny mitanisa ny endrik'ireo fahasimbana izay misy ity tontolo tafalatsaka anaty fandrika ity. Tsy tokony hadinoina anefa fa ireo toe-javatra ireo dia mampitombo ny fandraisana mora foana ny fampianarana ny Finoana ary koa mamorona tontolo vaovao hampielezana izany.

Tao amin'ny hafatra nalefanay ny 26 Novembre 1999, dia nanao filazana mikasika ireo asa aman-draharaha amin'ny ankapobeny izay voarafitra mba hitondr'na ny vondrona baha'i hatrany amin'ireo faran'ireo taon-jato voalohan'ny taom-panorenan'ny Finoana. Ny planina tsirairay avy, hoy izahay, dia hifantoka manokana amin'ny ivo-tanjon'ny fampandrosoana amin'ny fivoarana amin'ny fidirana amin'ny andiany. Ny toko voalohany, ity planina dimy taona ankehitriny ity, dia hifarana afaka fotoana fohy, eo amin'ny 12 volana monja sisa, koa antsoinay avokoa ireo mpino an'i Baha'u'llah mba handray anjara feno ao amin'ny planina iray hafa izay dimy taona koa ny faharetany. Ny zavatra angatahanay hataon'ireo namana rehetra mandritra izany fotoam-panelanel'nana izany dia ny mba hanopanany manontolo ireo herim-pony hanov'na ho arak'asa marina tokoa ilay fanazarana mitohy tsy tapaka izay nanomezan'ny Foibe Iraisam-pirenena amin'ny Fampianarana famporisihana manokana. Na iray aza, tsy tokony hisy baha'i tsy handray anjara amin'ireo andro sarobidy sisa tavela amin'ny planina mba hanamafisany orina ny fototra izay hanombohana indray ny raharaha mbola avo fik'sa amin'ny Ridvan ho avy izao. Ireo vavaka izay ataonay amin-kafanam-po eo amin'ireo Fasana Masina dia hanjohy anareo.

 

Windows / Mac