Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2014

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Telo taona katroka izay no lasa izay hatramin'ny fiandohan'izao dingana amin'ny famelarana ny planin'Andriamanitra ankehitriny izao, antondraharaha izay nampitambatra ireo mpanara-dia an'i Baha'u'llah ao anatin'ny ezaka ara-panahy iombonana. Roa taona monja sisa no mampisaraka ny sakaizan'Andriamanitra amin'ny fotoana izay hifaranan'izany. Ireo fihetsehana roa tena manan-danja izay manohy manome tosika ny lamina miandalan'ny fitomboana, na ny andiany tsy miaton'ny mpandray anjara izay mamita ny andiam-pianarana amin'ireo lalam-piofanana sy ny fivoaran'ireo vondromparitra ao anatin'ny fivelarana mitohy dia samy nohamafisina avokoa avy amin'ireo tosaky ny hery nivoitra nandritra ireo fihaonamben'ny tanora izay notontosaintsika tamin'ny taondasa . Ny fahaizamanao midadasika izay ananan'ny tontolo baha'i hisarihana tanora maro an'isa eo amin'ny asam-panompoana dia afaka antenanaina hitondra vokatra ankehitriny. Satria amin'ireo fotoana sisa tavela, ireo asa tena ilaina ho fanamafisana ny lamim-pitomboana efa misy ary koa hanombohana ireo vaovao dia mitaky fitandremana avy hatrany. Tsara fipetraka ny vondron'ny Anarana Lehibe Indrindra, alohan'ny hifaranan'ity vanim-potoana ity, dia tsy maintsy hanampy ireo vondromparitra izay efa misy ny lamin'asa toy izany, ireo roa arivo sisa tavela mba hahatratrarana ireo tanjona.

Toy inona ny hafalianay mahita fa io asa io dia tontosaina amin-kavitrihana manerana izao tontolo izao ary amina tranga sy toerana samihafa eo anivon'ny vondromparitra izay mahatratra telo arivo ny isany. Vondromparitra maro no tonga tamin'ny ambaratonga izay ny fangal'ny bahana dia avy tamin'ny fanaovana soritr'asa vitsivitsy tsotra dia tsotra. Any amin'ireo vondromparitra hafa kosa, taorianan'ny tsingerin'asa mifandimby dia nitombo ny isan'ireo olona nampiseho fandraisana andraikitra mifanitsy amin'ny Planina ary nivelatra koa ny herin'ny hetsika satria nihatsara ny kalitaon'ny zotram-panabezana ara-panahy noho ny fanaovana andrana, ary nanjary mora naniry handray anjara ireo fanahy. Indraindray, mety hoe mihena ny havitrihan'ny hetsika na koa hoe misy sakana mibahana ny l'lana ; ny fifanakalozan-kevitra lalina momba ny anton'ny fahasahiranana ampiarahana amin'ny faharetana, ny fahasahiana ary ny fikirizana no ahafahana indray mamerina ny vikina efa azo. Amin'ny vondromparitra maro an'isa, ny fandaharan'asa fitomboana dia mahazo vahana sy misandrahaka, mifanentana arakaraky ny fitombon'ny fahaizamanaon'ireo tompon'antoka telon'ny Planina : - ny tsirairay avy ' ny vondrona ' ireo fitantanan-draharahan'ny Finoana - amin'ny famoronana tontolo manodidina misy fifanohanana miaraka. Ary ravoravo koa izahay fa misy, toy izay efa nampoizina, ny fitomboan'isan'ireo vondromparitra izay manana olona anjatony fara fahakeliny izay manamora ny fandraisan'anjaran'ny olona hafa anarivony ao amin'ny famoronana fomba fiainana ara-panahy, mavitrika, sy mampiova. Fa mifanindran-dalana amin'ity zotra miandalana ity hatrany am-piandohana, mazava ho azy, dia ny fihetsehana iombonana ho any amin'ny vinan'ny fiadanana ara-materialy sy ara-panahy izay nolazain'Ilay nanome ny aina an'izao tontolo izao. Fa rehefa mirotsaka antsehatra ny maro an'isa, dia mivoitra hoazy ny fihetsiketsehan'ny mponina iray manontolo.

Io fihetsehana io dia voamarika manokana ao amin'ireo vondromparitra izay tsy maintsy hananganana Mashriqu'l-Adhkar. Ny vondrom-paritra toy izany dia hita ao Vanuat'. Ireo namana miaina ao amin'ny nosy Tanna dia nanaiky hanao ezaka faratampony mba hanentanana ny mponina momba ny trano fiderana hatao, ary efa nanao resadresaka miha-mivelatra amin'ny fomba maro samihafa mikasika io loha-hevitra io tamin'olona tsy latsaky ny ampahatelon'ny mponina miisa 30 000 tao amin'ny Nosy izy ireo. Ny fahaiza-manao hikojakoja resadresaka avo lenta eo amin'izany olona maro izany dia nihatsara noho ny traikefa an-taonany natao mba hampahafantarana ireo fampianara'i Baha'u'llah sy hampivelarana ny lanjan'ny lalam-piofanana mavitrika. Tao amin'ny nosy, dia nivelatra tsara manokana tokoa ny andiana tanora zandriny, natanjaka izany noho ny fanohanan'ireo lehiben'ny tan'na izay nahatsapa ny fampanjariana ara-panahy teo amin'ireo mpandray anjara. Nahazo risi-po tamin'ny firaisankina sy fanolorantena tao amin'izy ireo, ireo tanora dia tsy vitan'ny hoe nanala ny tsy fahavitrihana tao amin'izy ireo fotsiny fa koa, nohon'ny vinavinan-kasa azo tsapain-t'nana, dia hitany ireo fomba fiasa mba hanatsarana ny vondrona misy azy, ary ny vokatr'izany dia, ny daholobe amin'ny sokajintaona rehetra, singanina manokana ireo ray aman-drenin'izy ireo izay voaentana anaty hetsi-panorenana. Teo amin'ireo mpino sy tao amin'ny firahamonina iray manontolo dia tsapa ny tombontsoa azo avy amin'ny fahafahana mitodika any amin'ny Antenimiera Am-panahy lokaly raha angatahana teny anatra sy hamaha olana momba ireo tranga saro-bahana ary, arak'izany dia fahendrena sy araky ny rariny no manamarika hatrany hatrany ireo fanapahan-kevitry ny Antenimera Am-panahy lokaly. Maro noho izany no mampiseho fa lalina dia lalina ny fihatraikan'ny vokatra any amin'ny mponina rehefa tafatambatra ao anatin'ny zavatra iray mirindra ireo singan'ny fotopototry ny hetsiky ny planina. Ary teo ampizorana amin'ny fotoanan'ny fanapariahana sy ny fandalinana ny Finoana - Tsingerina faha telopolo amin'ny lamim-pitomboana mahery vaika izay vao vita vao haingana - no nitrandrahan'ireo namana haingana, miaraka amin'ny mponina hafa tao amin'ny nosy ny dikan'ny hoe hatsangana eo anivo'izy ireo ny Mashriqu'l-Adhkar ' Foibe iombonana iray ho an'ireo fanahin'ny zanak'olombelona '. Miaraka amin'ny fanampiana mavitrika avy amin'ireo lehiben'ny vohitra, ireo mponin'ny nosy Tanna dia nampiseho farafahakeliny vinavinan-tsary an-jatony momba io tempoly io ; mampiseho izany fa nahababo ny fisainana tokoa ny Trano Fideranana , ary nanokatra ireo vinavina miredareda ho an'izay fihatraika izay hiomanany hampiharina eo amin'ny iainana ny fiainana eo ambany fialofany.

Io tantara manome herimpo io dia hita misy fiitoviana amin'ireo vondrom-paritra maro efa mandroso izay ny vokatry ny fampianaran'i Baha'u'llah dia tsapa eo amin'ny toe-piainana eny anivon'ny kartie, sy ireo tan'na kely. Isaky ireny toerana ireny, misy vahoaka, izay tsy mitsaha-mitombo ny fahatakarany ny mikasika an'i Baha'u'llah, dia mandalina avy amin'ny alalan'ny fandinihana mifototra amin'ny traikefa sy nohon'ny fifanakalozan-kevitra ary mianatra hoe ahoana ny fomba hihetsehana mifanaraka amin'ny fahamarinana mifono lalina ao amin'ny Fanambarany, toa izany ny fivelaran'ny faribolam-pikatsahana ny ara-panahy izay miha mifamatotra hatrany amin'ny rohim-piderana sy firaisankina.

Amin'ny lafiny maro, ireo vondrona nahatanteraka fandrosoana tena lehibe indrindra dia manoritra l'lana iray izay manasa ireo hafa hanaraka izany. Saingy na toa inona na toa inona ny lentan'ny hetsika ao anaty vondrom-paritra iray , ny fahaiza-manao hianatra eo anilan'ireo namana eo an-toerana, anatina sehetr'asa mitovy no manampy ny fivoarana eo amin'ny l'lan'ny fampandrosoana. Mandray anjara avokoa ny rehetra amin'io antontan-draharaha io ; ny anjara entin'ny tsirairay avy dia manjary mampanakarena ny rehetra. Ireo vondrom-paritra misy fihetsehana mavitrika indrindra dia ireo izay misy namana manana fahazahoana fa ireo asany dia mifototra tanteraka amin'ny famerana izay atao mba hisian'ny fivoarana, tsy miankina velively amin'ny loharana ara-kolona eo ampelatanan'ny vondrona na koa ny isan'ny hetsika tanterahany - Ireo fahaiza-manao vao teraka ka tokony ho kolokoloina, ireo fahafaha-manao vaovao izay tokony ho ratovona, ireo vao manomboka ezaka mihambakavaka izay mila fonotronana, ny toeram-pandihana izay mbola ampitomboana, ny antondraharaha iombonana tokony harindra tsara ' ary koa ahita ireo fomba ombam-pamoronana avy eo, mba hampalalaka ny fotoana sy ny loharano arak'olona ilaina hahatongavana amin'izany. Ny fampisehoana fa afaka manolotra ny fanambiny avy ny tranga rehetra dia mamela ny vondrona tsirairay, tsy vitan'ny hoe hanararaotra ireo lesona nianarana tany an-toeran-kafa tao amin'ny tontolo baha'i fotsiny, fa koa handray anjara amin'ny fitambaran'io fahalalana io. Ny fahatongavan-tsaina amin'io zava-misy io dia manafaka ny tsirairay amin'ny fitadiavana fomba fanao hentitra tsy misy fotony momba ny hetsika no sady mamela ireo fahalalana azo teny anivon'ny toerana samy hafa hanazava ny lamim-pitomboana, izay mifono endrika hafa kely eo amin'ny seham-piainanan'ny tsirairay avy. Io fomba fizorana io dia mifanohitra tanteraka amin'ny fahazoana tery dia tery ny hoe ' fahombiazana ' sy ' tsy fahombiazana ' izay miteraka fahaverezan-tsaina na koa mandemy ny sitrapo. Tsy maintsy ialana ny firaiketana . Rehefa atao ho an'Andriamanitra irery ihany ny ezaka, dia Azy izay rehetra mitranga ary ny fandresena tsirairay avy izay azo amin'ny anarany dia toe-draharaha iray hankalazana ny fiderana Azy.

Ny fifandraisana misy eo amin'ny ezaka aseho sy ny fanampian'ny lanitra izay vokatra efa voasoritra mazava ao amin'ireo Soratry ny finoantsika : 'raha toa ka mba manao ezaka fotsiny ianareo', hoy ny Mpampianatra manome toky antsika ao amin'ny iray amin'ireo takelaka nosoratany, 'dia marina tokoa fa hiseho ireo famirapiratana ireo, handrotsaka ireo ranonorana mivatravatra ireo rahon'ny famindram-pony, hiainga sy hitsoka ireo tsioka mamelombelona, ary hifafy hatrany an-tendron'ny vazan-tany io fofomanitra mamerovero io. ' Tamin'ireo fitsidihana matetika ataonay ao amin'ireo Fasana Masina dia mangataka mafy amim-paharetana an'Ilay Mahery Indrindra izahay ho anareo, hanohanany anareo ary koa hanamafisany anareo, mba ho voatahy tanteraka ireo ezakareo ahafahany mahatratra ireo izay tsy mbola mahafantatra ireo fampianarana masina sy hanamafy azy ireo ao amin'ny finoany, ary aoka ny fatokianareo ireo fahasoavany tsy mety ritra hitoetra tsy azo ozongozonina. Tsy mbola tsy tao anaty vavaka nataonay mihintsy, ary na oviana na oviana dia tsy adinonay mandritra ny fitalahoanay ireo fihetsika mahatoky feno fanoloran-tenananareo. Raha teo ampiheverana ireo adidy izay miandry ny mpanaradia ny Hatsarana Voatahy mikasika ireo roa taona mbola ho avy izahay, dia ny antso maharitra hanao hetsika avy amin'ny Mpampianatra no tonga mamporisika ny saina ' Rovito ireo voaly, esory ireo sakana, atolory ireo rano mamelombelona ary asehoy ny l'lan'ny famonjena.

 

Windows / Mac