Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2007

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Ny taona voalohan'ny Planina dimy taona dia mampiseho amin'ny fomba mampihetsi-po ny toe-tsaina tia vavaka izay nentin'ny mpanaradia an'i Baha'u'llah nanaiky ankitsipo ny sehatr'asa natolotra tao amin'ny hafatra nalefanay ny 27 desambra 2005, toy izany koa ny antoka nomen'izy ireo hampandrosoana ny rindrandamin'ny (processus) fidirana amin'ny andiany. Ny vondrom-paritra izay nahatafapetrahana tamin'ny fomba mirindra ny lafin-javatra rehetra an'io sehatr'asa io dia nahatsapa fandrosoana maharitra, tsy teo amin'ny lafiny fandraisan'anjaran'ny mpino sy ny naman'izy ireo eo amin'ny fiainan'ny vondrona fotsiny fa koa teo amin'ny lafiny fitomboana arak'isa, ny vondrom-paritra sasany dia manao tatitra isaky ny volana vitsivitsy ny fidirana mpino aman-jatony ary ny an'ny hafa kosa amam-polony. Ny fahatongava-tsaina tena lehibe ny amin'ny toetra ara-panahin'io raharaha natao io, ary koa ny fahazoana mazava tsara ireo fitaovana enti-mandray fanapahan-kevitra izay voafaritr'ireo toetra fototra mampiavaka ny Planina dia nanan-danja lehibe tamin'io firoboroboana io.

Talohan'ny nanombohana ny andiana planina maneran-tany amin'izao fotoana izao, izay ny tanjona tokana dia ny fandrosoan'ny rindrandamin'ny fidirana amin'ny andiany, ny vondrona Baha'idia nandalo tamin'ny vanim-potoana fanapariahana haingana sy amin'ny sehatra goavana tany amina toerana maro maneran-tany ' fitomboana izay tsy afaka tazonina maharitra akory raha ny tena izy. Ny fanamby, noho izany, dia tsy hoe ny manatevin-daharana be dia be ny Finoana amin'ny fidiran'ny mpino vaovao, izay tokony ho avy amin'ny mponina mora mandray efa voaporofo, fa kosa ny mampiditra azy ireo ao amin'ny fiainan'ny vondrona sy ny mampitsangana avy amin'izy ireo ampahana mpino ampy isa hanokan-tena amin'ny fampandrosoana feno tanteraka. Efa tena maika tsy azon'ny tontolo Baha'i ny miatrika io fanamby io izay nataonay ho singa iray ivon'ny Planina efa-taona ary nangatahanay ny hanompanan'ireo antenimiera am-panahy nasionaly ny ampahany lehibe indrindra amin'ny herim-pony ho amin'ny fanorenana fahaiza-manao ara-pitantanan-draharaha, miseho amin'ny endriky ny lal'm-piofanana, mba hampivelarana ny loharano arak'olona. Nambaranay fa ny andiana mpino maro mitombo isa hatrany dia mila mahazo tombony amin'ny lamin'asa maty paika sy maharitra momba ny fiofanana novolavolaina mba hanome ho azy ireo ny fahalalana sy ny fivelarana ara-panahy, ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-manao, ilaina mba ametrahana amin'ny toerany ireo asam-panompoana izay afahana mitazona ny fampitomboana sy ny fanamafisana orina eo amin'ny sehatra goavana.

Ankehitriny, rehefa mandinika ny fiasan'ny vondrom-paritra izay mahatsapa fitomboana mahery vaika izahay, dia voamarikay fa tany amin'ny tsirairay amin'izy ireo, ireo namana dia nanohy nanamafy orina hatrany ny rindrandamin'ny lal'm-piofanana no sady koa nianatra nampandray anjara ireo vondron'olona vonona mpiaro mavitrikin'ny Finoana izay mitombo isa hatrany, nametraka endrika mahomby amin'ny fandrindrana ny ezak'izy ireo, nanorina avy amin'ny fandraisan'andraikitry ny isam-batan'olona sy ny ezakin'ny daholobe modely iray mahombin'ny fiasa mitovy ary nifantoka amin'ny famakafakana ny vaovao tena ilaina mba handrafetana ireo tsingerina hetsik'izy ireo. Voaporofo izany fa hitan'izy ireo ny fomba entina mampandroso miaraka ny asam-pampitomboana sy fanamafisana orina ' izay io no fanalahidin'ny fitomboana maharitra sy mitohy (soutenue). Ny porofo toy izany dia hamparisika marina tokoa ny mpino manokan-tena rehetra mba hijanona amim-pahamatorana eo amin'ny l'lan'ny fianarana maty paika sy mitohy tsy btapaka izay napetraka.

Ny zava-bita nandritra ireo taona nanaovana ezaka tena lehibe dia tsy voafetra fotsiny ho an'ireo vondrom-paritra izay nanomezana aina vao ny asam-pampitomboana sy fanamafisana orina tamin'ny sehatra goavana . Ny andrana/fiasa natao nandritra ny Planina efa-taona, avy eo ny Planina roa amby folo volana ary ny Planina dimy taona lasa teo, dia hita mazava fa nitarika tamin'ny fanorenana ny fepetra mamela ireo mpino hampivelatra ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny fikambanan'olona midadasika , nitarika azy ireo handray anjara amin'ny lafiny samihafan'ny fiainan'ny vondrona. Ny tombotsoan'io fivoarana io, izay naharitra efa folo taona, amin'ny fampitomboana ny fahaiza-manao eo amin'ireo mpandray anjara telo tonta amin'ny planina maneran-tany, dia efa tena miharihary tokoa ankehitriny. Hatraiza hatraiza, dia tsy maintsy nanovozana ny fahazahoana momba ny fahavitrihan'ny fampitomboana ny loharano arak'olona. Hatraiza hatraiza, ireo namana dia tsy maintsy tonga saina ny amin'ny fepetra ilaina mba hitazonana fitomboana maharitra sy voatohana nampiroborobo ny hetsika maty paika sy maharitra ary miala amin'ireo zavatra manary dia, namerina ireo singa sasany amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra iombonana hanakaiky kokoa ny toerana ias'na ary namorona vondrona izay mahatsapa fa tompon'andraitra amina iraka iray, namporisika ny fandraisan'anjaran'ny olona rehetra ary nampifanentana ireo hetsika atao amin'ny sokajy samihafan'ny fiarahamonina, indrindra amin'ny ankizy sy ny sakan-jaza, izay ho mpiaro ny Finoan'Andriamanitra amin'ny ho avy ary mpanangana ny sivilizasionany.

Miaraka amin'ny fototra tena mafy orina efa mipetraka, ny eritreritra voalohany ao an-tsain'ny mpino tsirairay avy dia tokony ho ny fampianarana. Ka ny ezak'izy ireo manokana dia mba hanosika azy ireo hampianatra an'ireo namany avy amin'ny alalan'ny dinidinika amorom-patana mba afahana mampandray anjara azy ireo indray amin'ireo hetsika fototra indray rehefa avy eo na koa izy ireo hampiasa ireo hetsika ireo ho toy ny fitaovana voalohany enti-mampianatra, ka amin'ny maha-vondrona azy ireo dia hataon'izy ireo ho tanjona voalohan'ny vondrom-paritra ny asa iarahana amin'ny ankizy sy ny sakan-jaza na koa hihevitra manokana ny momba ireo mpiara-belona efa zokinjokiny aloha, ka amin'ireo ezaka iarahany manao izy ireo dia mba handeha hitsidika isan-tarika an'ireo fianakaviana tamin'ny fotoam-piasana mahery vaika na koa hitsidika ara-potoana ireo olona liana amin'ny Finoana any an-tranony mandritra ny fotoana voafetra ' ireo fanapahan-kevitra ireo dia tsy azo raisina raha tsy efa voahevitra miaraka amin'ny zava-mitranga sy ny fahafahan'ny namana hanao ary ny toetoetran'ireo mponina izay iarahan'izy ireo miasa. Ny zavatra tokony iarahantsika manaiky, izay tsy mifampiankina amin'ny zava-mitranga mihitsy, dia tsy vitan'ny hoe, ireo filàna mampitaraina ny zanak'olombelona, tsy mahazo sakafo ara-panahy, izay miha-rendrika any amin'ny haizina hatrany hatrany ao amin'ny famoizam-po, fa koa ny tena maha-maika ny fanatanterahana ny andraikitra amin'ny fampianarana izay adidin'ny tsirairay avy amintsika amin'ny maha-olon'ny vondron'ny Anarana Lehibe Indrindra.

Baha'u'llah dia nandidy ireo mpanara-dia Azy hampianatra ny Finoana. Efa an'arivony maro no mampihatra amin-kavitrihana ireo zavatra takian'ny Planina mba hisehoan'ny fetezan-javatra amin'izy ireo ka afahany mitarika ireo fanahy ho any amin'ny Ranomasimben'ny Fanambarany. Miandry amim-pahamaizana fatratra izahay ny hahatongavan'ny andro izay hahalasa ny fampianarana ho zava-tiana fatratra lehibe indindra eo amin'ny fiainan'ny mpino tsirairay avy ary koa andro izay tena haha-mafy orina ny firaisankinan'ny vondrona ka hamelany io toetra manome hevitra io hiseho amin'ny alal'n'ny fiasa tsy mahalala sasatra eo amin'ny sahan'ny asam-panompoana. Izany no fanirianay mivaivay ho anareo ary vontoatin'ny vavakay miredareda eo an-Tokonana Masina.

 

Windows / Mac