Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2012

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Zato taona lasa izay, raha nijoro teo anoloan'ny olona an-jatony maro i 'Abdu'l-Bah' tamin'ny tolakandron'ny andro faha-iraika ambin'ny folon'ny fetin'ny Ridv'n, dia nandray ny angady ary nanatsatoka izany tamin'ny bozaka nandrakotra ny tokontanin'ny trano fiderana tao Grosse Pointe, avaratr'i Chicago. Avy amin'ny firenena maro samihafa ireo olona nasaina nametraka ny vato fehizoro niaraka tamin'i 'Abdu'l-Bah' tamin'io andron-dohataona io - norvezianina, indianina, frantsay, jap'nezy, persianina, amerindianina raha tsy hitanisa afa-tsy ireo vitsivitsy ireo. Na dia mbola tsy voatsangana akory aza ilay Trano Fiderana tamin'izany fotoana izany dia toa efa namaly sahady ny fanirian'ny Mpampianatra vao nolazainy ny omalin'io lanonana io, dia ny mba hahatonga ny trano fiderana rehetra toy izany ho 'toerana azon'ny zanak'olombelona hivoriana' ary mba 'ho avy amin'ny fisokafany ho amin'ny fahamasinana' no hipariahan'ny fanambarana ho amin'ny firaisankinan'ny zanak'olombelona rehetra. Tsy mbola tena nahatakatra mazava tsara ny halehiben'ny ho fiantraikan'ny teniny ho an'ny fiarahamonina, ho an'ny soatoavina sy ny fiahiana an'izany moa ny ankamaroan'ireo olona nihaino azy tamin'io fotoana io sy ireo naheno ny resaka nataony nandritra ireo diany tany Egipta sy tany Andrefana. Eny fa na dia hatramin'izao fotoana izao aza, iza tokoa moa no afaka milaza ho mahafantatra afa-tsy marika kely, manjavozavo sy lavitr'ezaka, ny sarintsarin'ilay fiarahamonina ho avy any aoriana nokendrena hateraky ny fanambaran'i Bah'u'll'h? Aoka tsy hisy handravona sahady fa vokatry ny fanajariana vitsivitsy ny lamina misy ankehitriny fotsiny ihany akory ilay fandrosoana izay hitondran'ny fampianarana avy amin'Andriamanitra ny zanakolombelona. Tsy izany velively. Nanambara i 'Abdu'l-Bah' nandritra ny resadresaka nataony andro vitsivitsy taorian'ny fametrahana ny vato fehizoron'ny Trano Fiderana voalohany tany amin'ny tany Tandrefana fa 'anisan'ireo vokatra ateraky ny fisehoan'ny hery ara-panahy ny fampivoarana ny tontolon'ny olombelona ho lasa lamim-piarahamonina vaovao', ary 'hibaribary eny amin'ny asa aman-draharaha rehetra ataon'ny zanak'olombelona ny fahamarinan'Andriamanitra'. Ireo teny ireo, sy ny fanambarana marobe hafa nataon'ny Mpampianatra izay averimberin'ny vondrona bah'' fakafakaina im-betsaka mandritra izao faha-zato taona izao, dia hahatsapana ny elanelana mbola mampifanalavitra ny fiarahamonina misy ankehitriny sy ilay fijery mahatalanjona nametrahan'ny rainy ho an'izao tontolo izao.

Indrisy anefa fa na dia maro aza ny ezaka nataon'ireo olona mazava fo izay miasa isam-paritra mba hanatsarana ny fiainam-piarahanonina, dia toa mbola sarotra amin'ny maro ny manohitra ireo sakantsakana tsy ahafahana manatanteraka io fijery vaovao io. Very ny fanantenan'izy ireo noho ny fiheverana tsy mitombina akory mikasika ny natioran'ny olombelona izay mahavonto ny firafitra sy ny fombafomban'ny ankamaroan'ny fiainana ankehitriny ka mahatonga azy ireo toa tahaka ny tsy ho azo ovaina intsony. Ireo fiheverana ireo anefa dia toa tsy mahatsapa ny fisian'ny herim-panahy mankadiry misy ao amin'ireo fanahy tsiraray voazava ka mampiasa izany; mifanohitra amin'izany aza, mitondra any amin'ny fanamarin-tena izy ireo ary mialokaloka ao ambadiky ny tsy fahombiazan'ny olombelona, ireo ohatra hita andavan'andro moa dia hita fa manamafy ny fahakiviana iombonana. Araka izany dia misy voaly izay misosona hevi-diso manamaizina ny tena fahamarinana: ny toetry ny tontolo ankehitriny dia ahitana taratra ny fahavoazan'ny fisainan'olombelona, fa tsy ny natiorany ara-boajanahary akory. Hitondra fanov'na eo amin'ny fiainana anatiny sy ny fepetra iainan'ny zanak'olombelona no tanjon'ireo Fanehoan'Andriamanitra tsirairay. Ary miseho ho azy io fiov'na io arakaraka ny hitomboan'ny isan'ny vondron'olona, ampiraisin'ny fampianarana avy amin'Andriamanitra, ka miaraka mitady izay hampitombo ny fahafahana ara-panahy entina handray anjara amin'ny ezaka hanov'na ny fiarahamonina. Tahaka ny tany mafy nanatsatohan'ny Mpampianatra ny angady, taonjato iray lasa izay, ireo fampianarana mibahan-toerana amin'izao vanimpotoana izao, mety hita ho mafy tsy laitra eo am-boalohany, nefa azo antoka fa hihamalefaka tsikelikely ihany izy ireo, ary avy amin'ny 'andon'ny lohataonan'ny Hamoram-pon'Andriamanitra', dia hamony 'ny voninkazon'ny tena fahazahoana marina', izay tsara tarehy sy vao namelana.

Omenay voninahitra Andriamanitra, satria noho ny herin'ny Teniny, dia eo am-pametrahana tontolo hahafahan'ny tena fahazahoana marina mamelana ianareo - vondron'ny Anarany Lehibe indrindra. Eny fa na ireo izay miaritra ny figadrana noho ny Finoana aza, dia afaka mampamelana ihany koa ny 'voninkazon'ny fahalalana sy ny fahendrena' ao am-po mangoraka, amin'ny alalan'ny fahafoizantena sy ny fahamatorana tsy azo ozongozonin'izy ireo. Marobe ireo fanahy mangetaheta mafy manerana izao tontolo izao izay efa nanomboka ny asa fanorenana ny tontolo vaovao eo am-panatanterahana amin'ny fomba maty paika ireo torol'lana mifandraika amin'ny Planina dimy taona. Efa mazava loatra moa ny toetoetr'izany ka tsy dia il'na fanazavana fanampiny intsony. Mandefa ny fitalahoanay amin'ny tokonan'ny Famonjeny feno Hamoram-po izahay, mba hanampian'ny Fanatrehan'ny Lanitra ny tsirairay aminareo amin'ny fandraisanareo anjara hampandrosoana ny Planina. Ankamamianay tokoa ny faniriana mivaivay, aredaredan'ny fandinihana ny ezaka natolotrareo nandritra iny taona lasa iny, mba hanamafisanareo ny fampiharana efa mafy orina ny fahalalana izay azonareo amin'ny traikefa. Tsy fotoanan'ny fisalasalana intsony izao; marobe loatra ireo izay tsy mbola mahafantatra ny fiposahan'ny maraina vaovao. Iza indray moa ankoatra anareo no afaka hampita ny hafatra avy amin'Andriamanitra? 'Amin'ny alalan'Andriamanitra', hoy i Bah'u'll'h raha niresaka mikasika ny Finoana, 'indro ny kianjan'ny fahaiza-manavaka sy ny tsy firaiketana, ny fahatakaran-javatra sy ny fisandratana, amin'izany, tsy misy olona afaka hanaitaitra ny soavaliny afa-tsy ireo mpitaingin-tsoavaly mahery fon'ilay Be Fiantrana izay nanapaka ny firaiketana rehetra amin'ny tontolon'ny fisiana'.

Tahaka ny mitazana vodilanitra mamirapiratra sy feno toky ny mijery ny tontolo bah'' eo am-perin'asa. Tazana ao anatin'ny fiainan'ny mpino izay maniry, mihoatra noho ny zavatra rehetra, mba hanasa ny hafa hifandray amin'ny Mpamorona sy hanampy ny zanak' olombelona, ny mariky ny fiov'na ara-panahy irian'ny Tompon'ny taona ho an'ny fanahy tsirairay. Tazana ao amin'ny fanahy izay mampiaina ireo hetsika ataon'ny vondrona bah'' izay miezaka fatratra hampitombo ny fahaizamanaon'ny mpikambana tsirairay ao aminy, na antitra io na tanora, ary koa ireo namana sy mpiara-miasa amin'izy ireo, amin'ny fikatsahana ny soa iombonana, ny famantarana ny fomba hahafahan'ny fiarahamonina iray izay mifototra amin'ny fampianaran'Andriamanintra mandroso. Ary ireo rafitra ara-pitantanana efa mivoatra eo anivon'ireo vondromparitra mandroso izay ahitana hetsika miavosa mifanaraka amin'ny torolalan'ny Planina ary izay tena maika ny fil'na ny firindran'ireo sehatr'asa, dia manome modely anankiray, na dia tsy mbola mazava tsara aza, ny fomba hahafahan'ireo rafipitantanan'ny Finoana manatanteraka miandalana ireo andraikiny isan-tsokajiny izay tsy mitsaha-mitombo amin'ny fampiroboroboana ny fiadanana sy ny fivoaran'ny zanak'olombelona. Araka izany dia mitondra mazava fampanantenana lehibe ny fivoaran'ny tsirairay, ny vondrona ary ireo rafi-pitantanana. Fa indrindra indrindra, marihanay amin-kafaliana manokana ny halehiben'ny fifandraisana feno fifankatiavana sy fifanohanana ara-tsaina mampifamatotra ireo singa telo tonta ireo.

Mifanohitra aminin'izany kosa, ahitana taratra ny tsy fifanarahana mampiavaka izao vanim-potoana tetezamita mikorontana lalovan'ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao ny fifandraisana misy eo amin'ireo mpilalao telo mitovitovy amin'izany misy eo amin'ny tontolo ankapobeny - dia ny olompirenena, ny vondrona politika ary ireo rafi-piarahamonina. Samy malaina hiara-hiasa tahaka ny taova mifampiankina mampiaina ny vatana iray izy ireo ary samy voafonja ao anatin'ny ady fahefana izay tsy hitondra vokany fa ho very maina. Hafa lavitra mihoatra izany ny fiarahamonina fariparitan'i 'Abdu'l-Bah' ao amin'ireo takelaka sy resadresaka maro tsy voatanisa nataony, fiarahamonina izay ny fifandraisana andavanandro sy koa eo anivon'ny samy Firenena, dia samy baikon'ny fahatsapana ny maha-iray ny zanak'olombelona. Fifandraisana vonton'io fahatsapana io no aorin'ny bah'' sy ireo namany any amin'ireo tan'na kely sy fokontany manerana izao tontolo izao; ary re manentoento avy amin'izany fifandraisana izany ny hanitra madion'ny fifanampiana sy ny fiarahamiasa, ny firindrana sy ny fifankatiavana. Eo anivon'ireo toerana tsy misy fieboeboana ireo no ipoiran'ny solon'ny fifandirana mahazatra ny fiarahamonina ankehitriny. Lasa mandray anjara ho azy amin'ny fomba voahevitra amin'ireo ady hevitra mikatsaka ny tombotsoa iombonana ireo olona maniry handray andraikitra haneho hevitra ka hanjary hanalavitra ho azy ireo fakampanahy mety hanosika azy ireo hifanditra hiaro ny heviny manokana; ka ny rafi-pitantanana bah'' anankiray, mahatsapa ny fil'na ny hetsika voarindra mitodika any amin'ireo tanjona mitondra vokatsoa, dia mba miezaka, tsy hanara-maso akory, fa hanampy tosika sy hankahery; tahaka izany koa, ny vondrona afaka miantoka ny fandrosoany dia mba hahatsapa ny tombotsoa lehibe dia lehibe entin'ny firaisankina ateraky ny fanolorantena tsy misy fepetra ho amin'ny fanatanterahana ny planina atolotry ny rafipitantanana. Noho ny fiantraikan'ny fanehoan'i Bah'u'll'h dia nahazo hafanana vaovao sy fiainana vaovao indray ny fifandraisana eo amin'ireo singa telo tonta ireo; izy telo miaraka, dia manome modely anankiray izay eo anivon'izany dia hihamatotra hatrany hatrany ny fandrosoan'izao tontolo izao ara-panahy sy hitondrany sarintsarin'ilay fiarahamonina araka izay niheveran' Andriamanitra azy.

Natao hanazava ireo sehatr'asa tsy ankanavaka ny fanilon'ny Fanambarana; eo anivon'ny tsirairay avy amin'izy ireo, tsy maintsy hohavaozina indray ny fifandraisana mihazona ny fiarahamonina; eo anivon'ny tsirairay amin'izy ireo, hitady ohatra ny amin'ny fomba tokony hifampitondrany ny olombelona. Manasa anareo izahay handinika ny fiainana ara-toe-karen'ny zanak'olombelona, hita mibaribary ny anjara asany izay natao hiteraka fihetsiketsehana izay lasa nahasintona olona marobe amin'izao, fiainana izay zary mandefitra sy tsy miraharaha manoloana ny tsy fahamarinana ary mihevitra ireo tombombarotra mitanila ho mariky ny fandresena. Efa latsa-paka loatra ireo fahazaran-dratsy mampidi-doza ireo ka nanjary sarotra ny hieritreritra ny fomba hahavitan'ny olon-tokana manova ireo fenitra ankehitriny izay mifehy ny fifandraisana ao amin'io tontolo io. Na izany aza anefa dia tena misy fomba fanao izay tokony hohalavirin'ny bah'', tahaka ny tsy fahamarinana eo amin'ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fitsentsefana ny hafa eo amin'ny lafiny ara-toekarena. Ny fanarahana antsakany sy andavany mahatoky ireo toromarika avy amin'Andriamanitra dia mitaky ny tsy tokony hisian'ny fifanoherana eo amin'ny fitondran-tenantsika eo amin'ny ara-toe-karena sy ny finoantsika amin'ny maha-bah'' antsika. Afaka mampifanaraka ny fiainany amin'ny fenitra avo dia avo noho ny fetra farany ambany izay ananan'izao tontolo izao ny anahy iray amin'ny fampiharana eo amin'ny fiainany ny fitsipiky ny Finoana mifandraika amin'ny fahamarinana sy ny rariny. Efa reraky ny tsy fananana modelim-piainana tokony halain-tahaka ny zanak'olombelona; koa mitodika aminareo izahay mba hampandrosoanareo ny vondrona izay ny fitondra-tenan'izy ireo no hitondra fanantenana ho an'izao tontolo izao.

Tao anatin'ny hafatra nomenay tamin'ny Ridv'n 2001 dia nilaza izahay fa any amin'ireo firenena efa lasa lavitra amin'ny fizorana amin'ny fidirana amin'ny andiany ary efa mahafeno tsara ny fepetra rehetra ireo vondrona nasionaly, dia hankasitrahanay ny fanorenana Trano Fiderana nasionaly izay hanamarika ny vanimpotoana fahadimin'ny Taonan'ny famoronan'ny Finoana ny fitsanganany. Amin-kafaliana lehibe dia lehibe no anambaranay fa hatsangana any amin'ny firenena anankiroa: Repoblika Demokratikan'i Kongo sy Papouasie Nouvelle Guin'e ny Mashriqu'l-Adhk'r nasionaly. Mibaribary fa feno avokoa ny fepetra napetrakay ho an'ireo firenena roa ireo ary namirapiratra fatratra ny fanatanterahan'ny mponina ao aminy ny fanamby nentin'ireo andiana Planina misy ankehitriny. Miaraka amin'ny Trano Fiderana kaontinantaly farany izay mbola eo an-dalam-panorenana any Santiago, dia mbola mitondra porofo mivaingana hafa mampiseho ny fidiran'ny finoan'Andriamanitra eo anivon'ny tany sy ny fiarahamonina ny fanombohana tetik'asa fanamboarana Trano Fiderana nasionaly.

Mbola misy dingana manaraka izay efa azo irosoana. Araka ny namaritan'i 'Abdu'l-Bah' azy dia 'isan'ireo rafitra manandanja indrindra eto ambonin'ny tany' ny Mashriqu'l-Adhk'r izay mampifandray toetra fototra anankiroa, tsy afa-misaraka eo amin'ny fiainana bah'', dia ny fiderana an'Andriamanitra sy ny fanompoana. Ahitana taratra ny firindr'na eo amin'ireo sehatry ny fampandrosoana ara-piarahamonina araka ny Planina ny fiarahan'ireo singa roa ireo, indrindra indrindra ny fitrangan'ny toetsaina tia vavaka izay afaka miasa tokoa mandritra ireo fivoriambavaka, sy lamim-panabeazana natao hampitomboana ny fahafaha-manompo ny zanak'olombelona. Miavaka manokana io fifampiankinana misy eo amin'ny fiderana sy ny fanompoana io any amin'ireo vondromparitra isan-karazany maneran-tany izay ahitana vondrona bah'' mivelatra tokoa na eo amin'ny habe na eo amin'ny hetsika ary efa hita mibaribary ny firosoana mankany amin'ny asa sosialy. Voatendry ho toy ny ivon-toerana natao hanapariahana ny fampianarana ny sasany amin'izy ireo mba hampitomboana ny fahafahamanaon'ireo namana hampandroso ny lamin'asa ho an'ny tanora zandriny any amin'ireo faritra izay mifandray amin'izy ireo. Araka ny nambaranay vao tsy ela akory izay, dia ahazoana mampiroborobo ny faribolam-pianarana sy ny kilasin'ny ankizy koa ny fahafahana mampandroso io lamin'asa io. Noho izany, mihoatra noho ny tena tanjony fototra, dia manampy betsaka amin'ny drafi-panitarana sy ny fanamafisan'orina ihany koa ireo ivon-toerana fanovozana ireo. Eo anivon'ireo vondromparitra ireo no azo hieritreretana ny hanorenana ny Mashriqu'l-Adhk'r isam-paritra ao anatin'ireo taona maromaro ho avy. Amin'ny fo diboky ny fankasitrahana Ilay Hatsaran-Tarehy fahagola no anambaranay amin-kafaliana aminareo fa efa eo am-pidinihana miaraka amin'ireo Antenimiera Am-panahy Nasionaly isanisany momba ny fananganana ny Trano Fiderana voalohany eo amin'ny sehatra lokaly any amin'ireto vondromparitra manaraka ireto izahay ankehitriny : Battamang (Cambodge), Bihar Sharif (Inde), Matunda Soy (Kenya), Norte del Cauca (Colombie) ary Tanna (Vauatu).

Mba hifanampiana amin'ny fanorenana ireo Mashriqu'l-Adhk'r roa eo amin'ny sehatra nasionaly sy ireo dimy eo amin'ny sehatra lokaly dia nanapa-kevitra izahay ny hanokatra kitapombola manokana ho an'ny trano fiderana eo anivon'ny Foibe iraisam-pirenena bah'' mba hanatanterahana ny vinavinan'asa rehetra mifandraika amin'izany. Asaina araka izany ny namana rehetra maneran-tany hanana fahafoizantena hanao rotsabola ao araka izay tratrany avy.

Ry mpiaramiasa malala : haverina hatsatoka indray any amin'ny firenena fito hafa ny angady natsatoky ny tanan'i 'Abdu'l-Bah' zato taona lasa izay, savaranon'ando ihany izany ho an'ny fihavian'ny andro hitsanganan'ny Trano Fiderana an'Andriamanitra isaky ny vohitra sy ny tan'na kely mba hanatanterahana ny baikon'i Bah'u'll'h. Avy amin'ireo Toeran'ny hazavana marainan'ny fahatsiarovana an'Andriamanitra ireo no hipariahan'ny taratry ny hazavana ary hanakoako ny hira amin'ny fiderany Azy.

 

Windows / Mac