Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2006

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Ity Ridvan 2006 ity dia manamarika fotoam-pandresena miezinezina sy feno fanantenana. Na aiza na aiza toerana misy azy ireo, dia rariny sy hitsiny ireo Mpanaradia an'i Baha'u'llah raha mirehareha noho ny fandresena miezinezina azon'izy ireo nandritry ny Planina 5 taona izay mifarana manomboka izao. Ary afaka mibanjina ny ho avy amim-pitokiana izy ireo, satria io no hany fomba natokana ho an'izay vonona tanteraka handray fanapahan-kevitra avy amin'ny alalan'ny traikefa. Ny ankamaroan'ireo mpino Baha'i dia velombelom-bolo raha mandinika tsara maharitra ny vokatry ny raharaha nosahanina nandritra ny 5 taona, izay manoloana azy ireo, ny fanandratana ambony ny fahamasinana izay ho takiany sy ireo vokatra efa voatendry ho tratra. Miombom-bavaka aminareo izahay, rehefa mitodika any amin'i Baha'u'llah ianareo izay mahay mankasitraka satria nahazo tombon-tsoa fa vavolombelona manatrika ny fanehoana ny tanjona nofaritany ho an'ny taranak'olombelona.

Tao anatin'ny Hafatra tamin'ny 27 desambra 2005 izay natokana ho an'ny Mpanolotsaina nivory tany amin'ny Tany Masina, ary nampitaina ny andron'io ihany any amin'ireo Antenimiera Am-panahy Nasionaly rehetra eran'izao tontolo izao, dia nasongadinay ny momba ny Planina 5 taona izay hanomboka amin'ity 2006 ity ka hifarana amin'ny taona 2011. Ary dia namporisihina ny mpino sy ireo rafitra misy mba handinika amim-pahamalinana io Hafatra io. Ka tsy isalasal'na noho izany fa tena efa fantatrareo tsara ny vontoatiny. Manomboka izao dia miantso ny tsirairay avy aminareo izahay mba hampifantoka ny herinareo rehetra mba hampahomby ny tanjona , izay tsy inona fa fanombohana mandritra ny 5 taona ny atao hoe 'lamin'asam-pitomboana mahery vaika' ao anatina vondrom-paritra tsy latsaky ny 1500 eran'izao tontolo izao. Ny fahit'na fa volana vitsivitsy monja taorian'ny nandaozan'ireo Mpanolotsaina ny Foibe eran-tany dia efa tafajoro sahady amin'ny fomba voahevitra tsara, isaky ny firenena, ny asa fanomanana ny fanatanterahana io Planina io, dia efa porofo manambara ny hafanam-po miredareda entin'ny vondrona Baha'i miatrika ny fanamby manoloana azy. Na dia tsy ilaina intsony aza eto ny hanome fanampim-panazav'na momba ny zava-takian'io Planina io, dia toa voatery ihany izahay hanolotra aminareo mba ho saintsaininareo sy ho jerenareo ny toe-draharaha eran-tany, izay sehatra tsy maintsy hanatanterahana ny ezaka ataon'ny vondrona sy ny mpino tsirairay.

Maherin' ny 70 taona lasa izao no nanoratan'i Shoghi Effendi ireo taratasiny mikasika ny rafim-pitantanana eran-tany, izay mirakitra fandalinana lalina momba ireo hery manosika an'izao tontolo izao. Tamina fahaiza-mandaha-teny izay mampiavaka azy, no nanazav'ny ireo fizotran-javatra maharitra roa lehibe izay navoitran'ny Teny faminanian'I Baha'u'llah . Ka ny iray toa hery mpanapotika fa ny iray kosa hery mpanorina, ary samy manosika ny taranak'olombelona mankany amin'io rafi-pitantanana eran-tany nentin'I Baha'u'llah io izy roa ireo. Nampitandreman'ny Mpiambina isika mba tsy ho 'voafitaka satria mitaraikiraiky fatratra ny fivoarana sivilizasiona miorim-paka vokatry ny ezaka mafy natao' na koa 'hanao hadisoana noho ireo famantarana miserana miendrika fiverenan'ny firoboroboana, izay indraindray toa afa-manohitra ny hery mpandrava asehon'ireo olana raiki-tapisaka mianjady amin'ireo rafitry ny vanim-potoana miharatsy. Tsy misy fandinihana ny fizotry ny zava-nitranga nandritra ireo 10 taona vao niserana, afaka hanohitra ny fak'na bahan'ireo fizotran-javatra izay nohalalininy tamin'ny fomba maty marika.

Fandinihana fotsiny ny olana goavana ara-pitondran-tena izay mandifotra ny taranak'olombelona dia ampy hahatsap'na fa goavana tokoa ireo hery mpandrava nanapotika ny fifamatoran'ny mpiara-monina. Moa ve ireo endrika isehoan'ny fitiavan-tena, ny fiahiahiana, ny tahotra sy ny fitaka izay tsinjon'ny Mpiambina mazava tsara, tsy nanjary nielipatrana aoka izany, ka na dia izay tsy zatra mandalina aza dia lasa nahavoatsikaritra izany mora foana ? Moa ve ny fandrahonan'ny fampihorohoroana, izay nambarany, tsy mibahan-toerana lehibe tokoa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ka manjary mampiasa saina mafy na ireo tanora na ireo efa zokinjokiny, amin'ireo faritra rehetra eran-tany? Moa ve ny hetaheta tsy mahalala onona, ny fanenjehana ireo firehareh'na fatratra, ny faniriana mafy hangoron-karena sy hilomano ao anatin'ny fahafinaretan'ny tany tsy nanamafy orina ny hery amam-pahefany, hany ka nanjary nanjakazaka sy nanosihosy ireo toetra tsara tokony hasehontsika olombelona, toy ny hasambarana, ny toetra mahatoky sy ny fitiavana ? Moa ve ny fihenandanjan'ny firaisankina eo anivon'ny fianakaviana sy ny fihetsika mitsoaka andraikitra manoloana ny fanambadiana tsy nahatratra salan'isa mihoam-pampana ka manjary tandindomin-doza ny fisian'io firaisankina fototra iorenan'ny fiarahamonina io ? 'Ny fiharatsian-toetra sy ny fitondran-tena mivarilavo asehon'ny olona, ny fahalovana sy ny firod'nan'ireo rafitra natsangan'olombelona', izay nanaovan'I Shoghi Effendi fampitandremana, dia miseho amintsika ankehitriny amin'ireo endriny faran'izay ratsy sy maharikoriko'.

Tondroin'ny Mpiambina ho tompon'andraikitra lehibe indrindra amin'io fitondran-tena mivarilavo asehon'ny taranak'olombelona io ny fihemoran'ny finoana, izay hery iray lehibe ao anatin'ny fiarahamonina. Misarika ny saintsika handinika ireto tenin'I Baha'u'llah manaraka ireto izy : 'Raha toa ka voasarona ny jiro manazava ny Finoana dia ho tonga ny fifanjevoana sy fikorontanam-be ary dia hitsahatra tsy hamiratra intsony ireo hazav'na tokony hitsilo ny rariny, ny fahamarinana sy ny filaminana ary ny fandriampahalemana'. Nandritra ireo folo taona nanaraka ny fotoana nanoratan'ny Mpiambina ireo taratasiny dia tsapa fa tsy nitsaha-nihena ny fampiharam-pahef'na vitan'ny finoana teo amin'ny lafiny fitondran-tena. Hita ihany koa ny famadihana ny vahoaka mpino amin'ny al'lan'ny fitondran-tena tsy mendrika asehon'ireo mpitondra fivavahana. Ireo fikas'na natao hamelombelomana ny finoana dia tsy nahavita afa-tsy namoha fikiribibiana izay mety hanimba ny fototra iorenan'ny fifandraisana ombam-panaj'na eo amin'ny samy olombelona, raha tsy voasakana. Ny fanenjehana ireo Baha'is any Iran, izay vao mainka nihamafy tato ho ato dia efa ampy hanaporofoana tsara fa vonona hamono ny lela afon'ny finoana eran'izay toerana mampanjelanjelatra azy, ny herin'ny aizina. Na dia matoky aza isika fa ny finoana no hahazo ny fandresena farany, dia tsy ho sahintsika ny hanadino ny fampitandremana nataon'ny Mpiambina izay milaza fa tokony hiady hanohitra fahavalo mbola mahery sy mbola mamitaka mihoatra lavitra an'ireo izay nanozongozona mafy azy teo aloha ny finoana.

Tsy ilaina intsony ny manitatra fanazavana mikasika ny tsy fahaiza-manao asehon'ireo mpitondra fanjakana - izay lohahevitra iray hafa novoaboasan'ny Mpiambina amin'ny fomba hentitra tao anatin'ireo taratasiny momba ny rafi-pitant'nana eran-tany. Ny fihitaran'ny hantsana ara-toekarena manelanelana ny mpanankarena sy ny mahantra, ny faharetan'ireo lolom-po tranainy nampisara-bazana firenena, ny fitomboan'isan'ireo mponina afindra monina, ny fidangan'isan'ireo heloka voaomana sy ireo herisetra, ny fandriana an-driran'antsy hatraiza hatraiza, ny firod'nan'ireo fitondran-draharaha fototra amina faritra maro dia maro, ny fitrandrahana tsy an-kiato ireo harena voajanahary, ireo no sombintsombiny avy amin'ireo famantarana tena marobe maneho ny tsy fahaizan'ireo mpitarika eto amin'izao tontolo izao handinika fomba ho enti-manamaivana ireo olana mianjady amin'ny taranak'olombelona. Tsy midika anefa akory izany fa tsy nisy ny ezaka natao tamin'ny fo madio, na koa tsy nitombo izy ireo tao anatin'ny 10 taona maro nifandimby. Tsapa anefa, fa na dia voadinika toy ny inona aza ireo ezaka ireo dia tsy afaka namongotra 'ny fototry ny ratsy izay tena nanakorontana ambony ambany ny fifandanj'na ato anatin'ny fiaraha-monina ankehitriny'. Nanambara tamim-pitokisana ny Mpiambina fa 'na dia ny fametrahana Planina arahin'asa eo anivon'ireo ambaratonga ilaina mba ahafahana mampiray an'izao tontolo izao eo amin'ny lafiny politika sy ara-toekarena aza' dia tsy afaka hanome irery ody fiarovana amin'ny poizina izay mikiky tsy an-kiato ny fahavitrihan'ireo firenena sy vahoaka milamina. Araka ny hevitry ny Mpiambina dia 'tsy misy na inona na inona hafa, ankoatry ny fanekena tsy am-pisalasal'na ny fandaharan'Andriamanitra izay nambaran'I Baha'u'llah , afaka hanohitra hatramin'ny farany, ireo hery mpandrava avy ao anatiny, izay hanohy hikiky amin-kaloz'na ireo taova iankinan'ny ain'ny fiarahamonina mamoifo, raha toa tsy voasakana. Amin'ny ankapobeny, io fandaharana io dia mirakitra ny drafitra nodidian'Andriamanitra hampiray ny taranak'olombelona amin'izao fotoana izao, izay tsy azo ozongozonina amin'ny finoany fa tena mahomby tanteraka ireo fandaharana rehetra tsy an-kanavaka raiketin'io lamina io.

Faran'izay manohina ny fo ny fitantar'n'I Shoghi Effendi ny fomba fizotry ny faharav'na izay mirimorimo fatratra eran'izao tontolo izao. Tena mampitola-gaga sahala amin'izany koa ny fahamarinan'ny fomba nandalinany ireo hery manosika ny fizotry ny fanorenana. Noresahiny ny 'fomba fihanaka miandalana eo anivon'izao tontolo izao ilay toe-tsaina mankamamy firaisankina izay mivoitra tampoka avy amin'ny fisamboaravoarana fiarahamonina misavoritaka'. Io toe-tsaina tia firaisankina io moa dia fisehoana an-kolak'ilay fiheveran'I Baha'u'llah ny foto-kevitry ny firaisankinan'ny zanak'olombelona. Tsy nitsaha-niely io toe-tsaina io nandritra ireo 10 taona nifandimby ary dia hita miharihary ankehitriny ny vokany eo anivona fitambarana fivoarana, miainga avy amin'ny fandavana ny fanavakavaham-bolokoditra izay tena lalim-paka tokoa mankamin'ny fahatsap'na vao mitsimoka fa mpiray tanindrazana avokoa rehefa mponina amin'izao tontolo izao, miainga amin'ny fihitaran'ny fahalal'na momba ny olana ara-tontolo iainana mankamin'ny ezaka mitambatra ho fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka, miainga avy amin'ny ahiahy momba ny fanaj'na ny zon'olombelona mankamin'ny fanohizana tsy an-kijanona ny fanabeazana ho an'ny daholobe, miainga avy amin'ny fanorenana hetsika iraisam-pinoana mankamin'ny famoronana an-jato sy arivona fikambanana eo anivona faritra, firenena sy izao tontolo izao misahana asa-ara-tsosialy maro isan-karazany.

Na ahoana na ahoana anefa, ho an'ny mpanara-dia an'I Baha'u'llah , dia ireo mifandray mivantana amin'ny finoana ihany no azo lazaina ho fandrosoana tena misongadina eo amin'ny fizotry ny fanorenana. Maro tamin'izy ireo no voavelon'ny Mpiambina mivantana ka dia niroborobo fatratra taty aoriana raha somary nihafihafy teny am-piadoh'ny. Avy amin'ireo mpino vitsivitsy monja izay fototra niandohan'ny Finoana ka nampit'ny ireo drafi-pampianarany voalohany no nipoiran'ny fianakaviam-be Baha'i eran-tany, izay hita amina toerana anarivony. Ka ny tsirairay avy amin'izy ireo dia manaraka fitambarana hetsika tsara orina izay manome endrika ireo foto-kevitra sy tanjon'ny Finoana. Tafaorina tsara eo ambonin'ny Rafi-pitant'nana izay natsangany tamim-pahamalinana nandritra ireo 10 taona voalohan'ny fotoana nanompoany ny fitamb'rana Antenimiera Am-panahy Lokaly sy Nasionaly maro, mifandray akaiky mba hitantana amin-kazotoana ny raharaham-pinoana any amina firenena mihoatry ny 180. Avy tamin'ireo andiana mpanolotsaina mpanampy voalohany izay naoriny mba hisahana ny fiarovana sy fampielezana ny Finoana no nisandratana tafika mpiasa mpakato miisa efa ho anarivony, ka manompo mivantana ny Finoana eny an-toerana, eo ambany fitarihan'ny mpanolotsaina miisa 81 izay tant'nan'ny Foibe Eran-tany misahana ny fampianarana amim-pahaking'na sy fahendrena. Ny fivoaran'ny Foibe Eran-tany Fitantanana ny Finoana, eo anivon'ny Foibeny Ara-panahy Eran-tany, izay fizotram-pivoarana nandanian'ny Mpiambina herim-po be dia be, dia namita dingana lehibe voamariky ny fiorenan'ny Tranom-pahamarinana Iraisan'izao Tontolo izao, eo an-tendrombohitr'I Karmela sy taty aoriana ny fahatontosan'ny toeram-pias'n'ny Foibe Eran-tany misahana ny Fampianarana sy ny Foibe Fandinihina Soratra Masina. Ny Rafitra masin'ny H'q'q''ll'h dia miroborobo fatratra eo ambany fiadidian'ny Tanam-pototr'Andriamanitra (Atoa Ali Muhammad Varq') izay mpiandraikitra notendren'I Shoghi Effendi dimampolo taona lasa izay. Tafasondrotra amin'ny avo indrindra io Rafitra io tamin'ny al'lan'ny fanang'nana, tamin'ny taona 2005, ny atao hoe Filan-kevitra Iraisam-pirenena natokana hampivoatra ny fampih'rana mitohy eo anivon'ny mpino Baha'i rehetra, an'ity lal'na mahery ity, izay loharanao ipoirana tsodrano tsara indrindra ka tsy voatombana, ho an'ny taranak'olombelona rehetra. Nitombo koa ireo ezaka nataon'ny Mpiambina hanang'nana ny endriky ny Finoana eo anivona fikambanana iraisam-pirenena ka nanjary lasa rafitra lehibe miendrika fandraharah'na mivelatra amin'ny any ivelany ny Finoana. Sady afaka hiaro ny tombontsoan'ny Finoana no hampiely ny Hafatra natokana ho an'izao tontolo izao ny mpino. Fahombiazana mahatalanjona no azo ilaz'na ny fanaj'na ambony atolotry ny olona ny Finoana Baha'i mandritra ireo fivoriana iraisam-pirenena, rehefa mandray fitenenana ireo solontenany. Ny fankatoavan-dal'na sy ny fitiavam-bavaka asehon'ny mpino Baha'i izay mampitomaratra foko sy fihaviana isan-karazany dia manjary tahirin-kery izay tsy azona vondrona hafa hisalorana, na iza izy na iza.

Novinanian'ny Mpiambina fa mandritra ireo vanim-potoana mifandimby hita ao anatin'ny fotoana fiforonan'ny Finoana dia hanomboka sahan'asa maro hiparitaka eran-tany ny Tranom-pahamarinana Iraisan'izao Tontolo izao. Ireo sahan'asa ireo dia 'hanamarika ny Firaisankina, sy handrindra ary hampiray ireo hetsika' ataon'ireo Antenimiera am-panahy Nasionaly. Nandritra ny vanim-potoana telo nifanesy, dia nazoto niasa mafy ny fianakaviam-be Baha'i nampihatra ny Planina iraisam-pirenena nalefan'ny Tranom-pahamarinana iraisan'izao Tontolo izao ka afaka nametraka modelim-piainana Baha'i izay mankahery ny fivoarana ara-panahin'ny tsirairay ary mampizotra ireo hery itambaran'ireo mpikambana mankany amin'ny fanavaozana ara-panahin'ny fiarahamonina. Azon'ny vondrona Baha'i koa ny fahafaha-manao izay ahit'na olona marobe vonona handray ny Hafatra fampianarana, mankahery azy ireo, mandalina ny fahazahoan'izy ireo ny vontoatin'ny tokony hofantarina ao anatin'ny Finoana vao nidirany. Nianatra nanova ny lal'nan'ny fifanakalozan-kevitra, izay novelabelarin'ilay Mpamorona azy ho tonga fitaovana mahombin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ary hanabe ireo mpikambana amin'ny fomba fampiasa io fitaovana io ny vondrona Baha'i. Namolavola fandaharana hoenti-manabe ara-panahy sy ara-pitondran-tena ireo mpikambana tanora izy ka nitariny ho an'ireo zaza sy tanora zandriny avy any ivelan'ny vondrona Baha'i izany fa tsy natokany ho an'ireo zanantsika ihany. Nanararaotra ny fisian'ny tahirin-talenta ananany izy ka nanangana haisoratra isan-karazany ahit'na antontany maro voasoratra amin'ny tenim-pirenena samihafa izay sady niresaka momba ny zavatra ilain'izy ireo no miantefa amin'izay mahasoa ny vahoaka hafa koa. Nanjary nihaliana hatrany amin'ny zava-mitranga any an-toeran-kafa izy ka nanatanteraka tetik'asa marobe ho amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Hatramin'ny niandohan'ny vanim-potoana faha-5 tamin'ny taona 2001 teo manokana, dia namita ezaka goavana izy tamin'ny fampitomboana ireo harena arak'olona nohon'ny fanarahana lamin'asa izay mahahenika ireo fototry ny vondrona ary nahita fomba fiasa sy fitaovam-piasana hanorenana modely maharitra ho amin'ny fitomboana.

Ao anatin'ny sehatry ny fiaraha-miasan'ireo hery voasoritra eto ireo no tsy maintsy hanomezan-danja sy hanafainganana ny fizotry ny fidirana amin'andiany. Takian'ity Planina 5 taona vao misokatra izao ity ny hampifantohanareo ny herinareo amin'ity fomba fiasa ity sy ny hahazoanareo antoka tsara fa afainganina ny fizotran'ireo hetsika roa lehibe mifameno. Io no tokony ho vaindohan-draharahanareo. Arakaraky ny mampisy vokany ny ezaka ataonareo, sy arakaraky ny fahatraran'ireo hery mpanosika fari-pahasarotana vaovao no hahavoatery ny Foibe eran-tany Baha'i hiatrika fanamby sy trangan-javatra, mandritry ny 5 taona ho avy, eo amina sehatra toy ny raharaha ivelany, ny fivoarana ara-tsosialy sy ara-toe-karena, ny fitantanan-draharaha sy fampiharana ny lal'na Baha'i. Ny fitomboan'ny vondrona dia efa nitaky fandraisana fepetra vaovao mba hampitombo avo roa heny ny isan'ireo mpanao fivahiniana masina, izay tokony hahatratra 400 isaky ny tarika, manomboka ny oktobra 2007. Tetik'asa maro ihany koa no tsy maintsy tanterahina. Anisan'izany ny fanit'rana ireo zaridaina manodidina ny fasan'I Baha'u'llah , ary ny zaridainan'ny Ridvan sy Mazra'ih ; Eo koa ny fanavaozana ny trano fitehirizam-bakoka, ny fanamboarana ny rafitry ny fasan'I Bab, izay tsy mbola fantatra mazava tsara ny fivelarany ary ny fanorenana ny Trano fider'na any Chili araka izay naminanian'ny Mpiambina azy, ilay Mashriqu'l-Adhk'rs kaontinantaly farany io. Arakaraka ny fandrosoan'ireo ezaka no hiantsoanay anareo hanampy anay indraindray, eo amin'ny lafiny ara-bola sy ara-talenta manokana, satria tsapanay tsara fa tsy maintsy ampifanarahana tsara, araka izay azo atao, amin'izay ilain'ny Planina, ny volan'ny Finoana.

Ry Havana : Tsy azo odian-tsy hita fa mielipatrana sy mahazo vahana tokoa ireo hery mpanapotika. Mazava koa fa ny Vondron'ny Anarana Lehibe Indrindra dia voasariky ny Tanan'ny Fitondran'Andriamanitra hahazo fandresena mifanesy ka tsy maintsy mitombo sy mampitombo ny hareny. Tsotra ny sehatra nananganana ny Planina 5 taona. Ka ataontsika ahoana, izay mahafantatra ny toe-draharaha manahirana ny zanak'olombelona sady mahalala ny lalan-kizoran'ny tantara no tsy hitsangana ka hanome izay farany tsara amintsika ary hanokan-tena ho amin'ny Tanjon'ny Planina ? Tsy ekentsika fa tanteraka ve ankehitriny ny tenin'ny Mpiambina manao hoe 'efa vonona ny sehatra', toy ny tamin'ny fotoana nanora-tany azy ireo nandritra ny Planina 7 taona voalohany ? Aoka haneno tsara eo am-pototsofinareo ireto teny ireto : 'Tsy misy fotoana hoverezina'. 'Tsy azo ekena ny fisalasal'na'. 'Tsy azo soloina fa sarobidy ny fotoana toy izao'. 'Ny fanandramana sy fikirizana no hiantoka ny fandresena feno farany'. 'Matokisa fa ny vavaka ataonay tsy tapaka eo An-tokonana Masina dia hitari-d'lana sy hiaro anareo'.

 

Windows / Mac