Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2019

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Eo ankatoky ny Fety Lehibe Indrindra, dia voaentan’ny fankasitrahana sy fanantenana izahay – fankasitrahana ho an’ireo zava-bita izay tanteraka nohon’ny fanomezan-dalan’i Bahá’u’lláh an’ireo mpanaradia azy, ary fanantenana ny amin'izay mbola voarakitry ny ho avy atomotra.

Ny bahana teraka vokatr'ireo fankalazana ny faharoanjato taona nahaterahan’i Bahá’u’lláh manerana an’izao tontolo izao dia tsy nijanona nitombo herivaika hatramin’ny fotoana nanombohany. Ny fivoarana mitombo hafainganan’ny vondrona Baha’i, ny fahafahamanaony mitombo sy ny fahaizamanaony amin’ny fampihetsehana ny herijikan’ireo mpikambana mihamaro an’isa ao aminy dia mivoitra mazava tsara avy amin’ny fanadihadiana ireo fahatanterahana voarakitra vao haingana eo amin’ izao tontolo izao. Amin'izy ireo, ny fitomboan’ireo hetsika fanorenana vondrona dia hita miavaka manokana amin’izany. Ny Planina Dimy Taona izay misy ankehitriny dia mifampitohy amin’ireo ezaka nampivelarana ny tontolo Baha’i nandritry ny roapolo taona, ary mifandray amin’ny fandavorariana sy fampitomboana tsy tapaka ireo hetsika – nefa, tsy arak’izay novinavinaina, fa tao anatin’ireo roa taona sy tapany voalohan’ny Planina, ny isan’ireo hetsika fototra raha tsy hilaza afa-tsy izay dia nitombo mihoatra ny dimapolo isan-jato. Amin’ny fotoana rehetra, ny vondrona maneran-tany dia nampiseho ny fahafahamanaony hampandray anjara olona mihoatra ny iray tapitr’isa ao anatin’ny hetsika toy izany ary hanampy azy ireo hikaroka sy hihevitra am-pahamalinana ireo zavamisy ara-panahy. Tao anatin’io fotoana fohy io ihany dia saika nitombo ho avo roa heny ny isan’ireo fivoriam-bavaka – ho valin'ny fanalaviran’ny zanak’olombelona nihanitombo hatrany an’ilay Loharanon’ny Fanantenana sy ny Fahalalantanana, izay tena nilaina tokoa. Io fivoarana io dia mahabe fanantenana tokoa satria ireo fivoriam-bavaka dia mampitosaka fanahy iray vaovao ao amin’ny fiainan’ny vondrona. Rehefa nampifamatorana tamin’ireo hetsi-panabeazana ho an’ny karazan-taona rehetra, ireo ezaka ireo dia lasa manamafy ny tanjona avo iray: manamafy ireo vondrona izay miavaka amin’ny alalan’ny fideran'izy ireo an’Andriamanitra sy ireo fanompoan’izy ireo ny zanak’olombelona. Tsy misy toerana tena mampisongadina ny toe-javatra toy izany afa-tsy any amin’ireo vondrom-paritra izay ahitana fandraisan’anjara voatohana vokatr’ ireo olona maro an’isa ao anatin’ireo hetsika Baha’i sy ahitana ireo namana nihoatra ny tsatoka fahatelo ao amin’ny fampivelarana ny vondron’izy ireo. Mahafaly anay ny mahita fa ny isan’ireo vondrom-paritra manana lamim-pitomboana nahatratra io sehatra io dia efa nihoatra ny avo roa eny hatramin’ny fanombohan’ny Planina, ary ankehitriny dia efa tafiakatra ho dimanjato eo ho eo.

Izany fanadihadiana fohifohy izany dia tsy maharakitra ny halehiben’ny fiovana efa an-dalam-pisehoana. Ny vinavinam-pivoarana ho an’ireo roa taonan’ny Planina sisa tavela dia mamirapiratra. Maro ireo fivoarana tanteraka nandritry ny taona lasa vokatry ny fanaparitahana mivelatra kokoa ireo lesona notsongaina tamin’ireo lamim-pitomboana matanjaka any amin’ireo vondrom-paritra ; izay araky ny nantenainay dia nanjary fanovozana ireo fahalalana sy ireo loharano arak’olona. Ny Foibem-Pampianarana Iraisam-Pirenena, ireo Mpanolotsaina sy ireo mpanolotsaina mpanampy tsy mahalala sasatra dia tsy nitsahatra nanao ezaka mba ahafahana miantoka fa ireo namana manerana an’izao tontolo izao dia handray tombotsoa avy amin’ny fanafainganana ny fianarana sy ny fampiharana ireo fahalalana azo avy tao amin’ireo zava-misy iainan’izy ireo ihany. Mahafaly anay ny mahita fa, ao amin’ireo vondrom-paritra mitombo isa hatrany sy ao amin’ireo kartie sy tanàna kely izay misy ao aminy, dia nivoitra ny andiana namana fototra iray, izay avy amin’ny alalan’ny asa sy ny fandinihina, no nahafahany nahita ny zavatra tena ilaina amina fotoana iray, ho fampandrosoana ny lamim-pitomboana ao amin’ny toerana manodidina azy ireo. Izy ireo dia miantehatra tokoa amin'ny herin'ny fitaovan'ny lalam-piofanana, izay amin'ny alalany no hanamafisana ny fahafahamanao handray anjara amin'ny firoboroboana ara-panahy sy ara-materialin'ny vondrona, ary eo am-panatanterahan'izy ireo ny hetsika, ny isan'ireo izay manantona hiara-dalana amin'izy ireo dia mitombo. Mazava ho azy, miovaova ireo zava-misy arakaraky toerana, ary toy izany koa ny toetoetrin'ny fitomboana. Kanefa arakaraky ny fikirizana tsy tapaka, ny tsirairay dia afaka mandray anjara am-pahombiazana misimisy hatrany amin'ireo asa misy eo am-pelatanana. Amin'ny sehatra tsirairay avy, misy fifaliana tena madio amin'ny firotsahan'ireo fanahy hafa amin'ny resadresaka manankarena sy mahavelo-panantenana izay mitarika, na haingana na tsikelikely, any amin'ny fanentanana avy amin'ny faharanitana ara-panahy. Arakaraky ny halehiben'ny hazavan'ny afo manazava ao anatin'ny fon'ny mpino, no hahalehibe kokoa ny hery manintona ren'ireo izay hiantefan'ny hafanany. Ary ho an'ny fo izay miredaredan'ny fitiavana an'i Bahá’u’lláh, inona moa no hetsika mifanaraka amin'ny tokony ho izy azo heverina afa-tsy ny fikarohana ireo entanin'ny fisainana mitovy, mamporisika azy ireo hiditra amin'ny lalan'ny fanompoana, manotrona azy ireo arakaraky ny hahazoan'izy ireo traikefa ary - angamba ny lehibe indrindra amin'ireo hafaliana rehetra - dia ny mahita ireo fanahy manjary mafy orina ao amin'ny finoany, mitsangana ampahaleovan-tena, ary manome tanana ny hafa eo amin'ny lalana toy izany ihany koa. Ireo dia anisan'izay tena lalaina tokoa amin'ireo fotoana rehetra izay mety atolotr'ity fiainana mandalo ity.

Ireo vinavina ny hampandroso ity ezaka ara-panahy ity dia hiteraka hafanam-po mitombo hatrany arakarakin'ny fahatomoran'ny faharoanjato taonan'ny nahaterahan'i Bab. Sahala amin'ny faha-roanjato taona izay nialoha azy, ity fitsingerenana ity dia fotoana faran'izay sarobidy. Izy dia manolotra ho an'ireo Baha'i rehetra tranga fanararaotra mampitolagaga mba hanairana sy hampisokatra ny mason'ireo manodidina azy ireo amin'ilay Andro Lehibe an'Andriamanitra, amin'ny fitosaka tsy manantsahalan'ny famindram-po avy any andanitra izay manamarika ny fiposahan'ireo Fanehoana roan'ny Fisian'Andriamanitra, Kintana mifanesy izay manazava ny faravodilanitr'izao tontolo izao. Ny fandrefesana izay mety ho tanteraka mandritra ireo tsingerina roa ho avy dia efa fantatry ny rehetra araka ny traikefan'ny faharoanjato taona roa taona lasa izay, ary izay rehetra nianarana tamin'izany tranga izany dia tsy maintsy hampanarahana ny fantsona mankany amin'ireo planina ho amin'ny Fankalazana ny Tsingerintaona Nahaterana Masina Kambana amin'ity taona ity. Arakaraky ny fahatomoran'ny faharoanjato taonan'ny tsingerintaona nahaterahana, dia hanolotra fitalahoana matetika izahay ho anareo eo amin'ireo Fasana Masina, hivavaka mba hahatonga ireo ezakareo hanome voninahitra mendrika an'i Bab hahomby amin'ny fampandrosoana ny Fototra izay efa nambarany mialoha.

Zara raha misy roa taona sy tapany sisa dia hifarana ny zatotaona voalohan'ny

Vanimpotoanan'ny Fanorenana. Toy izany no hanakatona ny zato taonan'ireo ezaka tsy miato naompana manokana mba hanamafisana sy hampivelarana ireo fototra izay napetraka, tamin'ny alalan'ireo fandavan-tena nandritra ny vanimpotoanan'ny mahery fon'ny Finoana. Amin'izany fotoana izany, ny vondrona Bahá’í dia hanamarika ihany koa ny fahazato taonan'ny Niakaran'i ‘Abdu’l-Bahá, ilay fotoana izay namotsorana ilay Mpampianatra lalaina tamin'ny fatoran'ity tontolo ity mba handehanany hihaona amin'ny Rainy any amin'ireo toerana fitsaharan'ny voninahitry ny lanitra. Ny fandevenana Azy, izay nitranga ny andro manaraka, dia zava-miseho iray izay "Tsy mbola nisy nahita mitovy amin'izany tany Palestina". Tany am-pamaranana izany fotoana izany, ny vata mangatsiakany dia napetraka hiala sasatra tanaty vata ao amin'ny Fasan'i Bab. Kanefa, Shoghi Effendi dia naminavina fa izany dia fandaminana vonjy maika ihany. Hisy ny Fasana izay haorina, izay manana ny maha-izy azy mifanaraka amin'ny laharana sy anjara toerana manokan'i ‘Abdu’l-Bahá, rehefa tonga ny fotoana mahamety izany.

Tonga izany fotoana izany. Ny tontolo Baha'i dia antsoina mba hanangana ilay fiorenana izay hialofan'io vatana masina io mandrakizay. Izy io dia haorina eo amoron'ny Zaridainan'ny Riḍván, eo amin'ny tany izay voamasinin'ireo diantongotr'Ilay Hatsarana Voatahy; ny Fasan'i ‘Abdu’l-Bahá arak'izany dia hitoetra eo amin'ny vola-tsinana nofaritana eo anelanelan'ireo Fasana Masina any ‘Akká sy Haifa. Ny asa fanoritana ny planina hairafitrano dia efa mandroso, ary hisy vaovao maro hozaraina mandritr'ireo volana ho avy.

Fihetseham-po feno hafaliana tsy omby tratra no mitobaka ao anatinay, eo ampibanjinana izao taona ho avy izao miaraka amin'ireo fampanantenana rehetra fonosiny. Mahatoky ny tsirairay avy aminareo izahay – ireo izay serina amin'ny fanolorana asa-panompoana ho an'i Bahá’u’lláh, izay miasa isaky ny firenena tsirairay avy ho an'ny fototry ny fandriam-pahalemana – mba hanatontosa ny antso avony aminareo.

 

Windows / Mac